Mahatoky amin’ny andraikitra ny mino
Mofonaina anio: Talata, faha 18 Aogositra 2020
JAONA 10.11-18
JAONA 10.11-18
11 Izaho no Mpiandry Tsara; ny Mpiandry Tsara manolotra ny ainy hamonjy ny ondry. 12 Ary ny mpikarama, satria tsy mpiandry na tompon'ny ondry izy, koa raha mahita ny amboadia* avy, dia mandao ny ondry ka mandositra, ary ny amboadia* misambotra ny ondry ka mampihahaka azy; [*lopa] 13 mandositra izy, satria mpikarama ka tsy mitandrina ny ondry. 14 Izaho no Mpiandry Tsara; ary fantatro ny Ahy, sady fantany Aho, 15 dia tahaka ny ahafantaran'ny Ray Ahy sy ny ahafantarako ny Ray; ary Izaho manolotra ny aiko hamonjy ny ondry. 16 Manana ondry hafa izay tsy amin'ity vala ity Aho; ary ireny koa dia tsy maintsy ho entiko ka hihaino ny feoko; ary ho tonga andiany iray izy, sady iray ihany ny Mpiandry. 17 Ary izany no itiavan'ny Raiko Ahy, satria Izaho manolotra ny aiko mba handraisako azy indray. 18 Tsy misy manaisotra ny aiko amiko, fa ny tenako ihany no manolotra azy. Manana fahefana hanolotra azy Aho, ary manana fahefana haka azy indray. Izany didy izany dia azoko tamin'ny Raiko.Mahatoky amin’ny andraikitra ny mino
1-Manolotra ny ainy hamonjy ny ondry
Jesoa Kristy no Mpiandry tsara , ary tsy hoe: mpiandry tsara fotsiny , fa Izy no Ilay Mpiandry tsara , mikarakara ny ondry amin’ny fitiavana sy fanolorantena mba hamonjena ny ondry . Fantany izay ilain’ny tsirairay. Hoa antsika mpino izay efa nanolo-tena ho an’nyTompo sy nomena andraikitra , aoka mba ho tahaka ny nataon’ny Tompo koa no hataontsika , ho velona ho an’ny hafa , vonona hamonjy ny hafa . Jesoa dia nanolotra ny ainy hamonjena anao. Atokany ho famonjena ny hafa koa ny fanoloranao tenanao . Ny mpiandry tsara dia manolotra ny ainy hamonjy ny ondry (and11). Lalana tsy maintsy hizoran’ny mpino mahatoky izany .
2-Manangona ny ondry ho andiany iray
Tsy ny Jiosy ihany no nisahiranan’i Jesoa fa ny Jentilisa koa . Notohizan’ny mpianany izany . Nanomboka tany Jerosalema ny ministerany (Asa 2), ary tany amin’ny tany hafa koa. Nitory ny hafatr’i Kristy izay nohomboana tamin’ny hazo fijaliana , nanambara ny fitsanganany tamin’ny maty . Izay hahatrarana ny tanjona dia ny mba hahatonga ny Jiosy sy ny Samaritana , ary ny Jentilisa maro ho lasa andian’ondry iray. Ny Fiangonana koa dia manana adidy amin’ny fitarihana ny hafa izay mbola tsy ao anaty vala. Ny tanjona dia mba ho tonga andiany iray izy rehetra ka samy handray an’i Jesoa ho Tompo sy Mpamonjy . Andraikitra omena anao mpino koa izany . Mahereza , aza kivy amin’ny fitaomana ny hafa ho an’ny Tompo.
Fanontaniana :
Mba efa nanao fanamby tamin’ny Tompo ve ianao amin’ny fitaomana ny tsy mino ho ao Aminy ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM