MAHATOKY  AMIN’ NY ASANY NY MPINO

Mofonaina anio: Talata, faha 18 Oktobra 2016

MAHATOKY  AMIN' NY ASANY NY MPINO

EKSODOSY 39.32-43
32 Ary vita ny asa rehetra tamin'ny tabernakelin'ny trano-lay fihaonana; fa ny Zanak'Isiraely efa nanao araka izay rehetra nandidian'i Jehovah an'i Mosesy. 33 Dia nentiny teo amin'i Mosesy ny tabernakely; dia ny lay sy ny fanaka rehetra nomba azy, ary ny farangony sy ny zana-kazony ary ny barany sy ny andriny ary ny faladiany, 34 ary ny firakotra hoditr'ondrilahy efa nomenaina sy ny sarona hodi-takasy, ary ny efitra lamba fanakonana, 35 ary ny fiaran'ny Vavolombelona sy ny baony ary ny rakotra fanaovam-panavotana, 36 ary ny latabatra sy ny fanaka rehetra momba azy ary ny mofo aseho, 37 ary ny fanaovan-jiro tsara sy ny lela fanaovan-jirony, dia ny lela fanaovan-jiro halahatra, sy ny fanaka rehetra momba azy ary ny diloilo hatao fanazavana, 38 ary ny alitara volamena sy ny diloilo fanosorana sy ny ditin-kazo mani-pofona ary ny varavarana lamba ho eo amin'ny varavaran'ny trano-lay, 39 ary ny alitara varahina sy ny makarakara varahina ho eo aminy ary ny baony sy ny fanaka rehetra momba azy, ary ny tavy sy ny faladiany, 40 ary ny fefy lamban'ny kianja sy ny tsangantsangany sy ny faladiany ary ny vavahady lamba eo amin'ny vavahadin'ny kianja ary ny kofehiny sy ny tsimatra, ary ny fiasana rehetra momba ny tabernakelin'ny trano-lay fihaonana, 41 ary ny fitafiana makarakara ho enti-manao fanompoam-pivavahana ao amin'ny fitoerana masina ho an'i Arona mpisorona sy ny fitafian'ny zanany ho entiny manao fisoronana. 42 Araka izay rehetra efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy, dia toy izany no nanaovan'ny Zanak'Isiraely ny asa rehetra. 43 Ary nizaha ny asa rehetra Mosesy, ka, indro, efa nataony araka izay nandidian'i Jehovah; dia nisaotra azy Mosesy.

MAHATOKY  AMIN’ NY ASANY NY MPINO

EKSODOSY 39.32-43

Mijoroa  ho mahatoky  tahaka  ny Zanak’Israely

1-Nahavita  ny asa nampanaovina  azy  izy ireo

2-Nahavita  ny asa  araka  ny nandidian’ny Tompo izy ireo

« Ary nizaha  ny asa  rehetra Mosesy , ka indro efa  nataony araka  izay nandidian’i Jehovah , dia nisaotra azy Mosesy

Fanontaniana : 

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM