MAHATOKY AMIN ‘NY ASANY  NY MINO

Mofonaina anio: Alarobia, faha 19 Oktobra 2016

MAHATOKY AMIN 'NY ASANY  NY MINO

2 TIMOTY 2.1-7
1 [Famporisihana an'Timoty haharitra tsara, na dia azom-pahoriana aza] Koa ianao, anaka, dia aoka hihahery amin'ny fahasoavana izay ao amin'i Kristy Jesosy. 2 Ary izay zavatra efa renao tamiko teo anatrehan'ny vavolombelona maro dia atolory ny olona mahatoky, izay hahay mampianatra ny sasany kosa. 3 Miaraha miaritra ny mafy amiko ianao tahaka ny miaramila tsaran'i Kristy Jesosy. 4 Ny miaramila manafika dia tsy mba misy maningo-tena amin'ny raharahan'izao fiainana izao. mba hahafaly izay efa nifidy azy ho miaramila. 5 Ary raha misy manezaka amin'ny filalaovana, dia tsy satrohana satro-boninahitra izy, raha tsy manezaka araka ny lalàna. 6 Ny mpiasa tany izay misasatra no tokony ho voalohany handray ny vokatra. 7 Diniho izay lazaiko, fa homen'ny Tompo fahazavan-tsaina ny amin'ny zavatra rehetra ianao.

MAHATOKY AMIN ‘NY ASANY  NY MINO

2 TIMOTY 2.1-7

Mijoroa  ho mahatoky  afa- mandray  sy mizara

« ary   izay zavatra   efa renao  tamiko   teo anatrehan’ny vavolombelona  maro   dia atolory   ny olona mahatoky  izay hahay  mampianatra  ny sasany   kosa

1-Ny olona mahatoky : olona  mahay  mandray

« atolory  ny olona  mahatoky…

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM