Mahasoa ny olona ve ny lalàn’Andriamanitra?
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 25 Septambra 2023
Deoteronomia 8,1-6
Deoteronomia 8,1-6
1 [Fampahatsiarovana ny nitondran'Andriamanitra ny Isiraely sy ny nampanetreny tena azy, ary fananarana azy, andrao miavonavona izy ka manadino an'Andriamanitra] Ny lalàna rehetra izay andidiako anao anio dia tandremo harahinareo, mba ho velona ianareo ka hihamaro ary hiditra sady handova ny tany izay nianianan'i Jehovah tamin'ny razanareo homena azy. 2 Ary tsarovy ny lalana rehetra izay nitondran'i Jehovah Andriamanitrao anao tany an-efitra izao efa-polo taona izao, hampanetry tena anao sy hizaha toetra anao ary hahalala izay ao am-ponao, na hitandrina ny didiny ianao, na tsia. 3 Dia nampanetry tena anao Izy ka namela anao ho noana, dia nanome anao ny mana hohaninao, izay tsy fantatrao na ny razanao, hampahafantarany anao fa tsy mofo ihany no iveloman'ny olona; fa izay rehetra aloaky ny vavan'i Jehovah no iveloman'ny olona. 4 Ny fitafianao teny aminao tsy rovitra, ary ny tongotrao tsy nivonto izao efa-polo taona izao. 5 Koa aoka ho fantatrao amin'ny fonao, fa tahaka ny fananaran'ny olona ny zanany no fananaran'i Jehovah Andriamanitrao anao. 6 Ary tandremo ny didin'i Jehovah Andriamanitrao, mba handehananao amin'ny lalany sy hatahoranao Azy.1- Tandremo sy tanteraho ny didy sy ny lalàn’Andriamanitra
Ny didy folo amin’ny ankapobeny no ao an-tsain’ny olona raha vao miresaka ny lalàn’Andriamanitra. Tsy diso akory izany, kanefa tokony hotsaroana koa fa ny boky dimy voalohany ato amin’ny Baiboly mihitsy raha ny marina no antsoina hoe : lalàna tokony arahana sy hotandremana. Heverina fa fikirakiran’ny Kristiana indrindra izany boky izany, saingy manao ahoana kosa ny fitandremana sy ny fankatoavana ary fanarahana izay rehetra voarakitra ao, satria hita eto fa
2- Hahavelona ny olona izany
Izay ambara amin’ny hoe : hahavelona ny olona dia hahamaro andro iainana. Izany hoe : ho ela velona na ho lava andro iainana. Tena firarian-tsoa ho an’ny zanak’olombelona izany, ary ho an’ny Malagasy ihany koa. Hitantsika eto fa tena araka ny Soratra Masina ny firariana ny olona hanana sy hisitraka izany. Ny hahatanteraka izany dia ny fitandremana sy fankatoavana ary fanarahana ny didy sy ny lalàn’Andriamanitra. Heverina fa tokony handeha ho azy ho an’ny Kristiana izany zavatra izany, raha ny tokony ho izy.
3- Hahamaro ny taranaka izany
Tsy ny ho ela velona ihany no zava-dehibe ho an’ny olona fa ny ho maro taranaka handimby ihany koa. Voafetra mantsy ny fiainan’ny olona kanefa raha manan-taranaka handimby izy dia hisy mamelo-maso ny anarany hatrany
4- Hananana tany sy lova hiainan’ny olona izany
Mpandehandeha sy mpifindra monina ny olona teo aloha fa rehefa manaraka ny lalàn’Andriamanitra kosa izy dia hampandovainy ny tany lova natokany ho azy
Fanontaniana
Mahasoa ny olona ve ny lalàn’Andriamanitra? Hazavao
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM