Maharitra tsy miova ny Tompo
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 03 Janoary 2022
SALAMO 102.23-28
SALAMO 102.23-28
23 Efa nahaketraka ny heriko tany an-dalana Izy; Efa nahafohy ny androko Izy; 24 Hoy izaho: Andriamanitro ô; aza maka ahy an-tenatenan'ny androko; Ny taonanao mihatra amin'ny taranaka fara mandimby. 25 Tany aloha no nanorenanao ny tany; Ary asan'ny tananao ny lanitra. 26 Ireo dia ho levona, fa Hianao no maharitra; Izy rehetra ho rovitra toy ny fitafiana; Toy ny lamba no hanovanao azy, ka hovana izy; 27 Fa Hianao no tsy miova, Ary ny taonanao no tsy ho tapitra. 28 Ny zanaky ny mpanomponao handry fahizay*, Ary ny taranany hampitoerina eo anatrehanao.[Na: dia mbola haharitra]Maharitra tsy miova ny Tompo
1-Andriamanitra no Tompon’ny hery
Amin’ny fotoana isehoan’ny fahoriana eo amin’ny fiainana ; ka hahatsapana fa tsy mizotra araka izay nokasaina izay rehetra natao dia toy ny miady irery sy tsy misy ianteherana ny olombelona . Ny fotoana toy izany indrindra anefa no tokony hahatsiarovana ny fitondran’Andriamanitra; tahaka izay nataon’ny mpanao salamo . Mahatsiaro ho kely hery sy fohy andro izy . Inoany anefa fa avy amin’Andriamanitra izany ka hoy izy : »efa nahaketraka ny heriko tany an-dàlana izy. Efa nahafohy ny androko Izy » (and23). Nangataka sy nitalaho tamin’Andriamanitra izy ; satria azony antoka fa afaka hampahery azy ny Tompo , hanome izay angatahiny , raha sitrany izany . Izay mahatsiaro ho kely hery sy reraka isika dia aoka hatoky ny Tompo fa « mampahatanjaka ny reraka Izy , ary izay kely hery dia omeny hery be » (Isa 40.29)
2-Andriamanitra maharitra mandrakizay
Na dia mandalo fahoriana sy ady sarotra aza isika dia tokony hivavaka sy hanakina ny fiainana amin’Andriamanitra , satria eo ambany fitantanany avokoa ny zavatra rehetra . Azony atao ny miditra an-tsehatra ka manova izany toe-javatra izany , amin’ny maha-tompon’ny btabtara Azy . Ambaran’ny mpanao Salamo fa Andriamanitra dia mandrakizay . Izy no nahary ny tany sy ny lanitra ( and25).Mihelina sy mandalo ny zavatra rehetra ka tsy maintsy hiova sy ho levona , fa Izy kosa no tsy miova . Taomina isika mba tsy hifikitra amin’izay zavatra mandalo fa hanatena an’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra . Tsy miova ny fitiavan’Andriamanitra antsika . « Jesoa Kristy no tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay » (Heb 13.8) .
Fanontaniana :
Nahoana no hiaharan’ny fahoriana ny olona na dia efa manankina ny fiainany amin’Andriamanitra aza ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM