Maharitra amin’ny finoana na dia eo aza ny fanenjehana
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 29 Febroary 2024
Apokalypsy 12. 13-17
Apokalypsy 12. 13-17
13 Ary rehefa hitan'ilay dragona fa nazera tamin'ny tany izy, dia nanenjika ilay vehivavy niteraka ny zazalahy izy. 14 Ary ilay vehivavy nomena ny elatra roa an'ny voromahery lehibe hanidinany ho any an-efitra, ho any amin'ny fitoerany, izay itaizana azy fetr'andro iray sy fetr'andro roa ary antsasaky ny fetr'andro, mba tsy ho hitan'ilay menarana izy. 15 Ary ilay menarana namoaka rano tamin'ny vavany, toy ny riaka, hanaraka an-dravehivavy, mba hindaosin'ny riaka iry. 16 Nefa ny tany namonjy an-dravehivavy, fa nivava ny tany ka nitelina ny riaka izay navoaky ny dragona tamin'ny vavany. 17 Dia tezitra tamin'ilay vehivavy ny dragona ka lasa nandeha hiady tamin'ny zanany sisa, izay mitandrina ny didin'Andriamanitra sy mitana ny filazana an'i Jesosy. Ary nitsangana teo ambonin'ny fasiky ny ranomasina izy.« Dia tezitra tamin’ilay vehivavy ny dragona ka lasa nandeha hiady tamin’ny zanany sisa, izay mitandrina ny didin’Andriamanitra sy mitana ny filazana an’i Jesoa » (and 17) Mitaona, sady mankahery antsika ity andinin-tSoratra Masina ity hoe Tandremo hatrany ny didin’ Andriamanitra:
1. Na dia hanenjehan’ny fahavalon’i Jesoa aza izany
Rehefa mamaky ny apokalypsy, izay tsy azo raisina ara-bakiteny isika, dia mahatakatra fa tao anatina vanim-potoanana fanenjehana mavaivay no nanoratana azy; tao anatina fampahoriana mihatra aman’ aina mihitsy aza, ho an’izay mivavaka amin’i Jesoa Kristy na lazaina amin’ny teny hoe Kristiana. Nisy ny niala an-daharana, nisy ny toa nafana toa nangatsiaka fa nisy kosa anefa ireo tena nahajoro tamin’ny finoana ka tsy niala tamin’izany na inona na inona natao azy ireo, eny fa na dia nihatra taman’aina aza ny fanenjehana. Taomina isika hahazona ny Tenin’Andriamanitra sy hiorina amin’ny finoana hatrany, na dia mihamafy aza, na amin’ny endriny mivantana na ankolaka ny fanenjehena ny fivavahana Kristiana; tsy eto amintsika ihany fa maneran-tany mihitsy.
2. Fa miantoka ny famonjena izany
Raha manao dingan-dava isika, manohy mamaky ity bokin’ny fanambarana ity, dia hahita fa ireo izay mahatana hatramin’ny farany ny finoana no mandova ny fiainana mandrakizay. Miharihary ao anatin’izany fa ny faharetana amin’ny fanarahana an’i Jesoa (izay tenin’ Andriamanitra tonga nofo rahateo) sy fihazonana ny finoana azy ihany no hananantsika anjara amin’ny fampakaram-badin’ny zanak’ondry. Mazava ny Tenin’i Jesoa « Ary ho halan’ny olona rehetra ianareo noho ny anarako nefa tsy hisy ho very na dia singam-bolo iray eo amin’ny lohanareo aza, ny faharetanareo no hahatananareo ny ainareo » (Lio 21. 19)
Fanontaniana:
Hatraiza re ny faharetana amin’ny finoana?
Sampana Sekoly Alahady Foibe