Maharitra amin’ny fifandraisana amin’Andriamanitra ny olona manana ny Fanahiny

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 26 Mey 2022

GENESISY 5.18-24

GENESISY 5.18-24
18 Ary rehefa roa amby enim-polo amby zato taona ny andro niainan'i Jareda dia niteraka an'1 Enoka izy. 19 Ary ny andro niainan'i Jareda taorian'ny niterahany niterahany an'i Enoka dia valon-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy. 20 Ary ny andro rehetra niainan'i Jareda dia roa amby enim-polo amby sivin-jato taona; dia maty izy. 21 Ary rehefa dimy amby enim-polo taona ny andro niainan'i Enoka, dia niteraka an'i Metosela izy. 22 Ary niara-nandeha tamin'Andriamanitra telon-jato taona Enoka taorian'ny niterahany an'i Metosela; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy. 23 Ary ny andro rehetra niainan'i Enoka dia dimy amby enim-polo amby telon-jato taona. 24 Ary niara-nandeha tamin'Andriamanitra Enoka; ka tsy hita izy, fa nentin'Andriamanitra.

Maharitra amin’ny fifandraisana amin’Andriamanitra ny olona manana ny Fanahiny

1-Velona eo anilan’Andriamanitra

« Ary niara-nandeha tamin’Andriamanitra telonjato taona Enoka... » (and 22). Ny androm-piainan’i Enoka manontolo dia niarahany nandeha tamin’ Andriamanitra .Tsy nisy fotoana nanalavirany an’Andriamanitra na nitondrany ny fiainany araka ny maha- olombelona azy . Voalaza eto ny fisian’ny taranaka nifandimby , nifampitohy , .Fitahian’Andriamanitra izany ! Tsarovy fa Andriamanitra no mitahy ny fiaInan’ny olona rehefa manaiky hitoetra eo Aminy mandrakariva ny olona .Fiainana miavaka no raisina amin’izany . Meteza ho velona miara-mandeha amin’Andriamanitra mba hahafahanao misitraka fitahiana.

2-Nandao ny tany ka mandray ny fiainan-danitra

« Ary niara-nandeha tamin’Andriamanitra Enoka , ka tsy hita izy fa nentin’Andriamanitra » (and24) , tsy mitovy tamin’ny olona rehetra ny nitondran’Andriamanitra an’i Enoka .Tsy mba fahafatesana toy ny an’ny olona rehetra no namarana ny fiainany fa nentin’Andriamanitra niakatra velona ho any an-danitra izy .Toa nentin’Andriamanitra ho any Aminy , any amin’ny fonenan’Andriamanitra , any amin’ny fiainana mandrakizay izy . Rehefa manana ny Fanahy Masina ny olona , mandeha araka ny Fanahy Masina , miaraka amin’Andriamanitra dia Andriamanitra no amndray an-tanana azy rehefa mifarana ny androm-piainana ety an-tany .Fiainana azo antoka .

Fanontaniana :

Inona no tokony hatao mba hahafahana miara-mandeha amin’Andriamanitra mandrakariva ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM