Mahaiza misafidy ny lalàm-pamonjena
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 08 Aprily 2021
GALATIANA 3.10-14
GALATIANA 3.10-14
10 Fa izay rehetra amin'ny asan'ny lalàna dia eo ambanin'ny fanozonana; fa voasoratra hoe: Voaozona izay rehetra tsy maharitra mankatò ny zavatra rehetra voasoratra ao amin'ny bokin'ny lalàna (Deo. 27. 26). 11 Ary hita marimarina fa amin'ny lalàna dia tsy misy olona hamarinina eo anatrehan'Andriamanitra ; fa ny marina amin'ny finoana no ho velona* (Hab. 2. 4). [* Na: ny marina ho velon'ny finoana] 12 Ary ny lalàna tsy araka ny finoana; fa izay mahatandrina izany no ho velona aminy (Lev. 18. 5). 13 Kristy nanavotra anay tamin'ny ozon'ny lalàna, satria tonga voaozona hamonjy anay Izy; fa voasoratra hoe : Voaozona izay rehetra mihantona amin'ny hazo (Deo. 21. 23), 14 mba ho tonga amin'ny jentilisa ny fitahiana an'i Abrahama ao amin'i Kristy Jesosy, ary mba horaisintsika amin'ny finoana ny teny fikasana ny amin'ny Fanahy.Mahaiza misafidy ny lalàm-pamonjena
Lalàna roa asehon’i Paoly
1-Mankato tanteraka ny lalàna
Raha misafidy ny hanaraka ny lalàna ianao dia tsy mana-tsafidy fa tsy maintsy mahatanteraka azy manontolo (Jak 2.10) . Koa ireo izay te- hohamarinina amin’ny fanarahana ny lalàna dia tsy hahomby na oviana na oviana . Ary hiharan’ny ozona araka ny voalaza hoe : « Hozonina izay tsy mankato ny tenin’ity lalàna ity , ary ny vahoaka rehetra hanao hoe : Amena » (Deo 27.26) . I Paoly eto dia manasongadina izany fa raha ny amin’ny lalàna dia tsy misy olona hamarininareo anatrehan’Andriamanitra . Matetika anefa isika dia mamorona izao lalàna samihafa izao rehefa tonga ho kristiana ary manameloka ny hafa izay tsy manaraka izany lalàna apetratsika izany.
2-Miaina amin’ny finoana
Ny safidy faharoa dia ny fiainana amin’ny finoana araka ny and 11. Jesoa Kristy dia efa voaozona mba ho famonjena antsika . Ary satria voaozona Izy , isika kosa izany no nohamarinina maimaimpoana noho ny amin’i Jesoa Kristy . Raha tsy nisy ny fiaretana ny ozona nataon’i Jesoa izay tokony ho antsika dia tsy mba ho velona tahaka izao isika . Jesoa nandray ny ozona izay anjarantsika no mahamarina antsika izay mino Azy . Tsy azontsika ho azy araka izany ny fanamarinana eo anatrehan’Andriamanitra fa tsy maintsy mino aloha isika , mino ny zanany malalany izay nataony ho amin’ny fanozonana ho famonjena antsika (Jao 3.36)
Fanontaniana :
Efa vita ve ny safidinao amin’izay làlana alehanao ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM