Mahaiza mandamina ny fiainan-tokantrano
Mofonaina anio: Alahady, faha 10 Janoary 2021
1 SAMOELA 1.1-13
1 SAMOELA 1.1-13
1 [Ny nahaterahan'i Samoela, sy ny nanolorana azy ho an'i Jehovah] Ary nisy lehilahy Efraimita anankiray tany Ramataima-zofima any amin'ny tany havoan'i Efraima, Elkana no anarany zanak'i Jerohama, zanak'i Eliho, zanak'i Toho, zanak'i Zofa. 2 Ary namporafy izy, Hana no anaran'ny vadiny anankiray, ary Penina no anaran'ny anankiray; ary Penina nanan-janaka, fa Hana kosa tsy mba nanana. 3 Ary ralehilahy niakatra isan-taona niala tamin'ny tanànany hivavaka sy hamono zavatra hatao fanatitra ho an'i Jehovah, Tompon'ny maro, tao Silo. Ary tao izy mirahalahy, zanak'i Ely, dia Hofinia sy Finehasa, mpisoron'i Jehovah. 4 Ary tamin'ny andro namonoan'i Elkana zavatra hatao fanatitra dia samy nomeny anjara iray avy Penina vadiny sy ny zananilahy ary ny zananivavy rehetra. 5 Fa Hana kosa nomeny anjaran-droa, satria izy no tiany, nefa nataon'i Jehovah momba. 6 Ary ny rafiny dia nanorisory azy mba hampalahelo azy mafy noho ny nanaovan'i Jehovah azy momba. 7 Ary izany no fanaon'i Elkana isan-taona, raha niakatra ho any an-tranon'i Jehovah Hana, ary izany koa no nanorisoren'ny rafiny azy, koa nitomany izy sady tsy nety nihinan-kanina. 8 Fa Elkana vadiny nanao taminy hoe: Ry Hana, nahoana no mitomany ianao? ary nahoana no tsy mety mihinan-kanina ianao? ary nahoana no malahelo fo ianao? Tsy tsara lavitra aminao mihoatra noho ny zanaka folo mirahalahy va aho? 9 Ary rehefa nihinana sy nisotro tao Silo izy, dia nitsangana Hana. Ary Ely mpisorona nipetraka tamin'ny sezany teo anilan'ny tolam-baravaran'ny tempolin'i Jehovah. 10 Ary Hana dia nalahelo fanahy indrindra, ka nivavaka tamin'i Jehovah izy sady nitomany dia nitomany. 11 Ary nivoady izy ka nanao hoe: Jehovah, Tompon'ny maro, raha mba hitsinjo tokoa ny alahelon'ny ankizivavinao Hianao ka hahatsiaro ahy ary tsy hanadino ny ankizivavinao, fa hanome ahy zazalahy, dia homeko ho an'i Jehovah kosa izy amin'ny andro rehetra hiainany, ka tsy hokasihin-kareza ny lohany. 12 Ary raha mbola naharitra nivavaka teo anatrehan'i Jehovah izy, dia nodinihin'i Ely ny vavany. 13 Fa niteny anakampo Hana, ka ny molony ihany no nihetsiketsika, fa ny feony tsy re akory; ka dia nataon'i Ely fa mamo izy.Mahaiza mandamina ny fiainan-tokantrano
Lesona roa no hotsoahina avy amin’ity tantara ity :
1-Fadio ny mampirafy
Nanana vady roa i Elkana , dia i Hana sy i Penina . Tsy mba nanan-janaka tahaka an’i Penina i Hana . Na dia teo aza ny fitiavan’i Elkana an’i Hana dia mbola nalahelo sy nitomany hatrany izy , sady tsy nety nihinan-kanina ; nanao izay hahasorena azy sy nandrabiraby azy hatrany mantsy ny rafivaviny . Efa nahita olana tahaka izao i Abrahama raha nanambady an’i Saray sy Hagara . Rehefa tsy manaraka ny lamina napetrak’Andriamanitra tany amboalohany momba ny fanambadiana ny olona , ka manambady maro , dia tsy maintsy hisy ny fifandrafiana, na mivantana izany na ankolaka . Fadio fa ratsy ny fampirafesana . Efa andron’ny mazava izao .
2-Ento eo anatrehan’ny Tompo ny olana
Sahirana ny sasany , vaky ny lohany . Izany no matetika mahazo ny olona mampirafy. Tsy amin’ny fampirafesana ihany , fa mety hisy toe-javatra manahirana eo amin’ny fiainantsika , ka mila hahakivy sy hiheverana fa toa tsy misy dikany intsony ny fiainana . Mety ho azon-dehilahy natao ihany ny nibedy an’i Penina isaky ny manao teny mampalahelo an’i Hana , na koa nanatona mpimasy sy mpisikidy toy ny fanaon’ny Jentilisa . Tsy izany anefa no nataony , fa nivavaka mafy tamin’ny Tompo izy sady nitomany , ary koa nanao voady teo anatrehany . Na dia tsy niloa-bava aza izy fa niteny am-po dia azony antoka fa manatrika azy ny Tompo ka mihaino ny vavaka ataony . Tanteraka taminy ny tenin’i Jesoa hoe : » Fa ianao kosa raha mivavaka dia midira ao amin’ny efitranonao , ka rehefa voarindrinao ny varavaranao dia mivavaha amin’ny Rainao . Izay ao amin’ny mangingina ary ny Rainao izay mahita ao amin’ny mangingina no hamaly anao «
Fanontaniana :
Inona no lazain’i Jesoa momba ny ampirafesana ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM