Mahaiza mamela heloka

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 07 Novambra 2024

Matio 18.21-35

Matio 18.21-35
21 Dia nanatona Petera ka nanao taminy hoe: Tompoko, impiry moa no hanotan'ny rahalahiko amiko, ka havelako izy? Hatramin'ny impito va? 22 Fa hoy Jesosy taminy: Tsy lazaiko aminao hoe: Hatramin'ny impito, fa hatramin'ny impito amby fito-polo*.[*Na: fito-polo impito] 23 Koa amin'izany ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny mpanjaka anankiray, izay te-hidinika amin'ny mpanompony ny amin'ny volany. 24 Ary raha vao nidinika izy, dia nisy anankiray nentina teo aminy, izay nitrosa talenta* iray alina.[*Anaram-bola; ny talenta volafotsy dia sekely telo arivo] 25 Ary satria tsy nanan-kaloa izy, dia nasain'ny tompony hamidy izy sy ny vadiny aman-janany mbamin'ny fananany rehetra handoavana ny trosa. 26 Dia niankohoka teo anatrehany ilay mpanompo ka nanao hoe: Tompoko, omeo andro aho, fa haloako ny anao rehetra. 27 Ary ny tompon'izany mpanompo izany dia onena azy ka nandefa azy sady namoy ny trosa taminy. 28 Nefa nony nivoaka izany mpanompo izany, dia nahita mpanompo namany anankiray, izay nitrosa denaria* zato taminy; dia nosamboriny izy ka notraohiny sady nataony hoe: Aloavy izay trosako aminao.[*Anaram-bola tokony ho venty no heviny] 29 Fa niankohoka ilay mpanompo namany ka nifona taminy nanao hoe: Omeo andro aho, fa haloako ny anao. 30 Nefa tsy nety izy, fa lasa nampanao azy tao an-tranomaizina mandra-pandoany ny trosa. 31 Ary nony hitan'ireo mpanompo namany izay efa natao, dia nalahelo indrindra izy ka nandeha nanambara tsara tamin'ny tompony izany rehetra natao izany. 32 Dia nampanalain'ny tompony ralehilahy ka noteneniny hoe: Ry mpanompo ratsy fanahy, efa nafoiko ilay trosa rehetra taminao, satria nifona tamiko ianao; 33 moa tsy tokony mba ho namindra fo tamin'ny mpanompo namanao koa va ianao tahaka ny namindrako fo taminao? 34 Dia tezitra ny tompony ka nanolotra azy ho amin'ny mpampijaly mandra-pandoany ny trosa rehetra. 35 Ary tahaka izany koa no hataon'ny Raiko Izay any an-danitra aminareo, raha tsy samy mamela ny rahalahinareo amin'ny fonareo avy ianareo.

Mahaiza mamela heloka

1. Aza ferana ny famelan-keloka

Fanontaniana toa mila valiny tsy voafaritra teto no napetrak’i Petera tamin’i Jesoa, izay nanehoany mazava ny heviny manoloana ny famelan-keloka, toa te-hilaza Petera hoe: ampy ny im-pito (7) mba hamelako ny rahalahiko izay nanota tamiko. lo valin-tenin’i Petera io dia manambara fa voafetra ny olombelona (and 21). Teny sarotra nefa tsy maintsy ankatoavina ny valiteny nomen’i Jesoa « tsy misy fetra ny famelan-keloka ». Fantantsika koa ry havana fa ny nahatongavan’i Jesoa teto an-tany dia ny hamonjy sy hanafaka ny olona amin’ny fahotana ao anatin’izany ny famelan-keloka, satria io no efitra mampisaraka antsika amin’ Andriamanitra (Isa 59. 1-2). Tsarovy fa ny famelan-keloka dia manome fiadanana sy fahazavam-po, fa ny tsy famelan-keloka dia miteraka vesatra sy aretina. Tsy misy fetra ry havana ny famelan-keloka.

2. Famelan-keloka vokatry ny fitiavana

Fanoharana no ambaran’i Jesoa eto. Ny mpanjaka dia maneho an’Andriamanitra, ary mpanompo tsy manan-kaloa dia isika olombelona bokan’ny trosan’ny fahotana. Tsarovy anefa fa Andriamanitra dia mahari-po amintsika mandrakariva. Onena sy manome ny mahasoa antsika. Mijery antsika amin’ny masom-pitiavany izay feno indrafo lehibe. Amin’izao fanoharana izao no itarafana ny hatsaran’Andriamanitra sy ny Fitiavany izay ao amin’i Jesoa Kristy. Dia Izy ilay Mpamonjy mora azo, manome maimaimpoana ny fitiavana tsy misy tambiny. Mety ho sarotra ny mamela heloka, kanefa rehefa mibanjina ny famonjena nataon’i Kristy tamintsika isika dia mora tanterahina izany. Ataovy amin’ny fitiavana ny famelanao ny hafa. Toetra hamantarana ny maha mpianatry ny Tompo antsika ihany koa ny fifankatiavana. (vakio Jaona 13.35).

Fanontaniana:

Inona no antony mahatonga ny olona ankehitriny tsy hifamela heloka?

Sampana Sekoly Alahady Foibe