Hoy i JESOA !

Mofonaina anio: Talata, faha 16 Septambra 2025

Sal 102. 1.2 / Hira 438.1,3,4 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / HF 10

Lioka 18,1 - 8
1 Ary Jesosy nilaza fanoharana taminy, fa tsy mety raha tsy mivavaka mandrakariva izy ka tsy reraka, 2 dia nanao hoe: Nisy mpitsara tao an-tanàna anankiray, izay tsy natahotra an'Andriamanitra, na mena-maso olona. 3 Ary nisy mpitondratena tao amin'izany tanàna izany, izay nankao aminy matetika ka nanao hoe: Omeo rariny aho amin'ilay manana ady amiko. 4 Ary tsy nanaiky izy aloha; fa rehefa afaka izany, dia nanao anakampo hoe izy: Na dia tsy matahotra an'Andriamanitra aza aho sady tsy mena-maso olona, 5 mba homeko rariny ihany io mpitondratena io, fa manahirana ahy izy, fandrao ho avy mandrakariva izy ka hampahasosotra ahy. 6 Ary hoy ny Tompo: Henoy izay lazain'ilay mpitsara tsy marina. 7 Fa Andriamanitra tsy hanome rariny ny olom-boafidiny va, izay mitaraina aminy andro aman'alina, ary moa hitaredretra va Izy? 8 Lazaiko aminareo fa homeny rariny faingana izy. Kanefa, raha avy ny Zanak'olona, moa hahita finoana et? ambonin'ny tany va Izy?

« Lazaiko aminareo fa homeny rariny faingana izy. Kanefa, raha avy ny Zanak’olona, moa hahita finoana etý ambonin’ny tany va Izy? » (and.8)

 

ny Tahaka ity vehivavy nahery nangataka ambaran’ny fanoharana eto ity izany: tena hitalaho sy hiady varotra amin’i JESOA mihitsy. hivavaka mafy ny olona. Izany no hiseho, arakaraka hanatonana ny fiverenan’i JESOA indray. Ary moa tsy izany ve no hitantsika ankehitriny? Maniry toy ny anana, hoe fitenenana, ny mitonona ho « Fiangonana » etsy sy eroa?

« Homeny rariny faingana izy », hoy i JESOA eto, izany hoe: hahazo valim-bavaka ny olona. Ary moa tsy izany koa no hitantsika amin’ireo endrika « fahagagana » samihafa anaovana « dokam-barotra » amin’ny haino aman-jery samihafa ankehitriny?

lo no fanontanian’i JESOA: « hahita finoana etý ambonin’ny tany va Izy? » Izany hoe: inona no hahamaika ny olona: ny ho afaka amin’izay olam-piainany, sa ny hitia sy hino marina an’i JESOA?

Ary ianao: Inona no mahamaika anao raha mivavaka: ny zavatra omen’i JESOA sa i JESOA?

 


Mofon'aina teo aloha

Sahia mijoro hampiorina finoana

Alatsinainy, 15 Septambra 2025

Sahia mijoro hampiorina finoana Natao fivavaham-pirenena ny fanompoana ny Bala tamin’ny andron’i Ahaba, Mpanjaka vadin’i…

Misitraka famonjena ny mino

Alahady, 14 Septambra 2025

Misitraka famonjena ny mino Rehefa mahalala ny maha Mesia an’i Jesoa Niantsoantso ireto jamba roalahy…

Mpino mandray andraikitra sy miasa

Zoma, 12 Septambra 2025

Mpino mandray andraikitra sy miasa Matoky ny Tenin’Andriamanitra Ampahatsiahivina ny mpino ao amin’ny Fiangonana ny…