Lehilahy tonga amin’ny fiderana an’Andriamanitra
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 21 Novambra 2020
ASAN'NY APOSTOLY 3.1-8
ASAN'NY APOSTOLY 3.1-8
1 [Ny nahasitranan'i Petera ilay lehilahy nalemy tongotra, sy ny tori-teny nataony tamin'ny olona] Ary Petera sy Jaona niakatra ho eo an-kianjan'ny tempoly tamin'ny ora fahasivy fotoam-pivavahana. 2 Ary nisy nitondra lehilahy nalemy tongotra hatrany an-kibon-dreniny, izay napetrany isan'andro teo anoloan'ny vavahadin'ny tempoly, ilay atao hoe Itsaraendrika, mba hangataka fiantrana amin'izay niditra teo an-kianjan'ny tempoly; 3 nony nahita an'i Petera sy Jaona efa niditra eo an-kianjan'ny tempoly izy, dia nangataka mba homena fiantrana. 4 Ary Petera sy Jaona nibanjina azy ka nanao hoe: Mijere anay. 5 Dia nibanjina azy roa lahy tsara izy, fa nanantena hahazo zavatra taminy. 6 Fa hoy Petera: Tsy manana volafotsy na volamena aho, fa izay ananako no omeko anao: Amin'ny anaran'i Jesosy Kristy avy any Nazareta, mitsangantsangàna. 7 Ary noraisiny tamin'ny tànany ankavanana ralehilahy ka natsangany; dia natanjaka niaraka tamin'izay ny tongony sy ny kitrokeliny. 8 Ary niantsambotra izy ka nijoro, dia nitsangantsangana ary niara-niditra taminy ho eo an-kianjan'ny tempoly, nitsangantsangana ny niantsambotsambotra sady nidera an'Andriamanitra.Lehilahy tonga amin’ny fiderana an’Andriamanitra
Lehilahy nobataina isanandro mba hangataka no tonga nidera an’ Andriamanitra tao amin’ny Fiangonana , rehefa avy novonjen’i Jesoa tamin’ny alalan’ny Apostoly . Miezaha manokana koa ianao hanampy ny hafa ka :
1-Mba jereo izay mila vonjy (and 3,4)
« Ary i Petera sy Jaona nibanjina azy » . Nijery ity lehilahy ity Petera sy Jaona mialohann’y nidirany tao amin’ny Tempoly . Mampianatra antsika Lioka eto amin’izao perikopa izao mba hijery ireo izay tena mila vonjy . Alohan’ny hihaonana amin’ny Tompo dia zava-dehibe ny mahita ireo izay tena mila famonjena . Aza dia ho mana-maso nefa minia tsy mijery e!
2-Mba omeo izay ananana (and 6)
« Fa izay ananako no omeko anao » . Eoa anatrehan’ny mila vonjy , tsy mitaky antsika hamorona ny tsy misy ny Soratra Masina . Izay ananana azo omena no aolotra ho enti-mamonjy ny hafa . Raha ny marina dia mila antsika malala-tànana ny Tompo . Mila antsika manana fo onena sy vonona hamonjy ireo izay mila izany tokoa . Jesoa no zavatra tsara sy sarobidy indrindra azontsika omena ny olona rehetra .
3-Mba atoroy izay malemy (and7)
« Ary noraisiny tamin’ny tànany ankavanana ralehilahy ka natsangany « . Raha niteny i Petera , tsy avy hatrany akory ilay lehilahy dia nitsangana fa mbola tsy maintsy noraisiny izy , ary najorony ka afaka nitsangana tsara . Mila fiezahana manokana avy amintsika ny hafa vao mba ho afa-mijoro tsara , miala amin’izay mampalemy azy . Koa aoka hanana toepanahy vonona hanampy azy ireny hatramin’ny farany isika .
Fanontaniana :
Inona no mety mahatonga ireny olona nampiantsika ireny tsy tonga amin’ny fiangonana midera an’Andriamanitra ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM