Lehilahy hendry sady feno fanetren-tena.

Mofonaina anio: Zoma, faha 27 Desambra 2024

Matio 1. 18-25

Matio 1. 18-25
18 Ary ny nahaterahan'i Jesosy Kristy dia toy izao: Rehefa nanaiky Maria, renin'i Jesosy, ho fofombadin'i Josefa, raha tsy mbola nivady izy, dia hita fa nitoe-jaza avy tamin'ny Fanahy Masina izy. 19 Ary Josefa vadiny, izay lehilahy marina sady tsy ta-hanala baraka azy, dia nikasa hametraka azy mangingina. 20 Fa raha mbola nisaina izany izy, indro, nisy anjelin'ny Tompo niseho taminy tamin'ny nofy ka nanao hoe: Ry Josefa, zanak'i Davida, aza matahotra hampakatra an'i Maria vadinao; fa ny Zaza ao an-kibony dia avy amin'ny Fanahy Masina, 21 ka hiteraka Zazalahy izy, ary ny anarany hataonao hoe Jesosy*; fa Izy no hamonjy ny olony ho afaka amin'ny fahotany. [*Jesosy = Jehovah no Mpamonjy] 22 Ary izany rehetra izany dia tonga mba hahatanteraka izay nampilazain'ny Tompo ny mpaminany* hoe: [*Gr. profeta dia olona voafidin'Andriamanitra ho mpilaza ny teniny] 23 Indro, ny virijina hitoe-jaza ka hiteraka zazalahy; Ary ny anarany hataon'ny olona hoe Imanoela (Isa. 7. 14), izany hoe, raha adika: Amintsika Andriamanitra. 24 Ary Josefa, rehefa nahatsiaro tamin'ny torimasony, dia nanao araka izay nandidian'ny anjelin'ny Tompo ary ka nampakatra ny vadiny. 25 Ary tsy nahalala azy izy mandra-piterany Zazalahy; ary ny anarany nataony hoe Jesosy.

Lehilahy hendry sady feno fanetren-tena.

Raha mba tahaka an’i Josefa avokoa ny lehilahy manam-bady rehetra dia hilamina sy hirindra kokoa ny fiainan-tokantrano:

1- Tsy te hanala baraka ny vadiny (and.18)

Voalaza eto fa lehilahy marina i Josefa, midika izany fa lehilahy tsara fitondran-tena izy ka tsy nanana firaisana ara-nofo tamin’ny vadiny nandritra ny fotoana naha mpifamofo azy roa. Ankehitriny anefa dia mitoe-jaza sahady i Maria. Na iza na iza no teo amin’ny toeran’i Josefa dia hahita fahasahiranan-tsaina noho izany, ary tsy maintsy hihevitra fa namitaka azy ny fofombadiny. Raha araka ny lalana (Deo 22.23-24) dia azo halaim-baraka ampahibemaso sy toraham-bato i Maria noho izao toe-javatra izao. Tsy nanao izany i Josefa, fa ny fikasana hisaraka aminy mangingina no vahaolana hitany. Mampalahelo ny mahita mpivady mifanala baraka imason’olona. Firifiry amin’ny mpivady re no mba mahay manafina ny kilemam-badiny!

2- Manaiky ny sitrapon’ Andriamanitra.

Raha mbola tao anatin’ny adin-tsaina lalina i Josefa dia niseho taminy, tamin’ny alalan’ny nofy ny anjelin’ny Tompo, ary ilay anjely kosa nanambara taminy momba ny zaza ao an- kibon’i Maria, sy ny fikasan’Andriamanitra amin’izany (and.21- 23). Noraisin’i Josefa sy notehiriziny ny Tenin’Andriamanitra ka nitarika azy hanaiky tsy am-pisalasalana hampakatra ny vadiny (and.24). Nanova ny fomba fisainany sy nanala ny ahiahiny rehetra ny fandraisany am-po ny Tenin’Andriamanitra izay nambara taminy. Rehefa ny sitrapon’Andriamanitra no ekena sy ampanjakaina, dia miova ny toe-javatra; ka na dia izay zavatra heverina ho sarotra sy manahiran-tsaina indrindra aza dia hiravona avokoa. Tsy mamitaka ny Teniny!

Fanontaniana:

Ahoana no iatrehan’ny mpivady ny olana misy eo aminy?

Sampana Sekoly Alahady Foibe