Lehibe sy miavaka Andriamanitra

Mofonaina anio: Talata, faha 21 Janoary 2025

Sal 95.1-5 / Hira 15:1-2 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 618:1-2

Salamo 104. 1-5
1 [Fiderana an'Andriamanitra, Mpamorona sy Mpiahy izao rehetra izao] Misaora an'i Jehovah, ry fanahiko. Jehovah Andriamanitro ô, lehibe indrindra Hianao, Famirapiratana sy voninahitra no fitafinao, 2 Mitafy ny mazava tahaka ny lamba Izy Ary mamelatra ny lanitra tahaka ny lay, 3 Ary mametraka ny rairain-drihan'ny tranony amin'ny rano, Sady manao ny rahona matevina ho kalesiny ka mandeha amin'ny elatry ny rivotra, 4 Ary manao ny rivotra ho irany Sy ny lelafo ho mpanompony*.[Na: Manao ny anjeliny ho rivotra Ary ny mpanompony ho lelafo] 5 Nanorina ny tany tambonin'ny fanorenany Izy, Mba tsy hihetseha-ny mandrakizay doria.

Fomban’ny mpanjaka ny mampiseho ny heriny amin’ny zavatra rehetra. Asehon’ny mpanao Salamo eto fa lehibe sy mahery tsy misy toa Azy Andriamanitra satria mifehy ny zava- boahary rehetra Izy. Ny famirapiratana sy voninahitra no fitafiany; mametraka ny rairaindrihan’ny tranony amin’ny rano izay eny amin’ny rahona Izy, ny rahona izay nambaran’ny Jiosy ho rano ambonin’ny tany. Manao ny rahona matevina ho kalesiny Izy. Tsy misy mpanjaka hitovy voninahitra sy fahefana Aminy toy izany. Miorena tsara ary derao ny Andriamanitrao fa lehibe sy miavaka Izy na amin’ny fahefana na amin’ny famonjena. Azony ampiasaina amin’izay tiany hampiasana azy ny zava-boahary rehetra satria Izy no nahary azy.

Ambaran’ny mpanao Salamo amin’ny fiderana eto fa voahevitra tsara ny nanorenan’Andriamanitra ny tany, tahaka ireny mpanao mari-trano mahalala tsara ny tokony hataony ireny mba hampijoro tsara ny trano atsangany na inona na inona rivotra mandalo. Tsy mihetsika ny trano itoerantsika na dia mihodina aza ny tany noho ilay hery mahagaga sy ny asan’ny tanan’ Andriamanitra izay manintona ny zavatra rehetra hifikitra amin’ny tany. Endriky ny herin’Andriamanitra sy ny fihazonan’ Andriamanitra ny tany sy izay rehetra ao aminy izany. Mitoera tsara amin’izay naharian’ Andriamanitra sy itondrany ny fiainanao.

Azon Andriamanitra ampiasaina amin’izay tiany ve ianao?