Lehibe ny voninahitr’Andriamanitra!
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 06 Janoary 2024
Asan'ny Apostoly 8.1 -8
Asan'ny Apostoly 8.1 -8
1 Ary Saoly mba nankasitraka ny namonoana azy koa. [Ny nielezan'ny mpianatra noho ny fanenjehana, sy ny nitorian'ny Filipo tany Samaria sy tamin'ilay tandapa Etiopiana] Ary tamin'izany andro izany dia nisy fanenjehana mafy tamin'ny fiangonana tany Jerosalema; ka dia niely teny amin'ny tany Jodia sy Samaria izy rehetra, afa-tsy ny Apostoly ihany.Lehibe ny voninahitr’Andriamanitra!
Eto amin’ity perikopa voalahatra ho antsika anio ity no ahitana fa rehefa Andriamanitra no miasa dia tsy misy mahasakana:
1- Asehony amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina izany.
Taorian’ny nitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty dia nihaona tamin’ny mpianany Izy, ka anisan’ izay nampanantenainy ny fanomezana ny Fanahy Masina: « Fa hahazo hery ianareo amin’ny hilatsahan’ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran’i Jodia sy Samaria ary hatramin’ny faran’ny tany » (Asa 1.8). Hitantsika eto fa tena mafy sy nihatra amana aina ny fanenjehana Fiangonana tany Jerosalema.Porofon’izany ny namonoana an’i Stefana (Asa 7.57-60) sy ny fampahoriana nataon’i Saoly, izay niditra an-tranon’olona mihitsy,nanagadra izay rehetra nitory ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy na
lahy na vavy (and.3). Manoloana izany no iasan’ny herin’ny Fanahy Masina ka nahatonga ireo “mpivavaka tsara » sahy nijoro ho naman’i Stefana ary nandevina sy nisaona azy (and.2)
2- Asehony amin’ny alalan’ny fielezan’ny Filazantsara
Tsy izay fanenjehana sy fifofoana aina akory no hahasakana ny fielezan’ny Filazantsara. « Ary izay niely dia nandeha nitory teny tontolo eny » (and.4). Ny « hery » omen’ny Fanahy Masina ny mpino dia mahatonga azy ho feno fahasahiana hijoro ho vavolombelona; andraisany fahefana handroaka ny demonia andraisany hosotra hahasitrana ny marary (famantarana ny amin’ny fanjakan’Andriamanitra izany). Tsarovy fa tsy maintsy hiaritra fanenjehana izay rehetra mijoro ho vavolombelon’i Jesoa Kristy, fa amin’izany dia ny Fanahy Masina izay noraisiny no hery miaro azy hanoherany ny hery ratsy rehetra.
Fanontaniana:
Manao ahoana ny endrika isehoan ‘ny fanenjehana ny mpitory ny Filazantsara amin ‘ny vanim-potoana ankehitriny?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM