Lehibe ny fiandrianan’Andriamanitra.

Mofonaina anio: Alarobia, faha 08 Janoary 2025

Sal 104,1-5/Hira 24.1,3/ Vavaka/ Mofonaina/Vavaka/Hira24.4

Matio 23. 16-28
16 Lozanareo, mpitarika jamba izay manao hoe: Raha misy mianiana amin'ny tempoly, dia tsy mampaninona izany; fa raha misy mianiana amin'ny volamena amin'ny tempoly, dia haningo-tena izy. 17 Ry adala sy jamba! iza no lehibe, ny volamena va, sa ny tempoly izay nahamasina ny volamena? 18 Ary koa: Raha misy mianiana amin'ny alitara, dia tsy mampaninona izany; fa raha misy mianiana amin'ny fanatitra eo amboniny, dia haningo-tena izy. 19 Ry jamba! iza no lehibe, ny fanatitra, sa ny alitara izay mahamasina ny fanatitra? 20 Koa amin'izany, izay mianiana amin'ny alitara, dia mianiana aminy mbamin'ny zavatra rehetra izay eo amboniny. 21 Ary izay mianiana amin'ny tempoly dia mianiana aminy mbamin'izay mitoetra ao anatiny. 22 Ary izay mianiana amin'ny lanitra dia mianiana amin'ny seza fiandrianan'Andriamanitra mbamin'izay mipetraka eo amboniny. 23 Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa mandoa ny fahafolon'ny solila sy ny aneta ary ny komina* ianareo, nefa navelanareo izay lehibe amin'ny lalàna, dia ny rariny sy ny famindram-po ary ny finoana; ireto tokony ho nataonareo, nefa tsy tokony havelanareo ireroana.[*Anaran-java-maniry ireo] 24 Ry mpitarika jamba! tantavaninareo ny moka, nefa atelinareo ny rameva. 25 Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa diovinareo ny vohon'ny kapoaka sy ny lovia, nefa ny ao anatiny dia feno rombaka sy tsi-fahononana. 26 Ry Fariseo jamba! diovy aloha ny atin'ny kapoaka sy ny lovia, mba ho madio koa ny vohony. 27 Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa ianareo dia tahaka ny fasana voalalotra fotsy, izay miseho tsara tarehy eo ivelany, nefa ny ao anatiny dia feno taolan'ny maty mbamin'ny fahalotoana rehetra. 28 Dia tahaka izany koa ianareo: raha amin'ny eo ivelany dia miseho amin'ny olona ho marina, nefa ny ao anatinareo dia feno fihatsaram-belatsihy sy tsi-fankatoavan-dalàna.

Lehibe ny fiandrianan’Andriamanitra.

Miantefa tamin’ireo mpitarika vahoaka Jiosy ny hafatr’i Jesoa, Voakasika manokana amin’izany ny Fariseo sy mpanora-dalana. Ireto manaraka ireto no iampangany azy:

1- Tsy ataotao foana ny fianianana Aminy (and.16-22)

Nolazain’ny Fariseo fa tsy manan-kery ny fianianana amin’ny Tempoly na ny alitara; fa ny mianiana amin’ny volamena eo amin’ny Tempoly, na ny fanatitra co amin’ny alitara kosa no manan-kery (and.16,18). Fanaovana zinona ny fivavahana marina izany. Ny fianianana rehetra, hoy Jesoa dia momba an’Andriamanitra, na ny fanatitra, na ny volamena mbamin’ny fanaka rehetra ao aminy. Ka izay mianiana amin’ny Tempoly dia mianiana amin’Andriamanitra Ilay nanao azy; ary toy izany koa: izay mianiana amin’ny lanitra dia mianiana amin’ny seza fiandrianan’Andriamanitra (and.20-22). Efa nolazain’i Jesoa rahateo hoe: « Aza mianiana akory na amin’ny lanitra, fa seza fiandrianan’Andriamanitra izany… » (Mat 5.34 …)

2- Halany ny mpihatsaravelatsihy (and.23-28)

Miseho ho mitandrina ny lalàna hatramin’izay bitika indrindra ny Fariseo; tsy ratsy ho azy akory izany, saingy ny mahadiso azy dia izay zava-dehibe tokony hotandremana no hamaivaniny, dia ny fanaovana ny rariny sy ny famindrampo ary ny finoana (and.23). Miseho ho sarotiny amin’ny pitsopitsony momba ny lalana mikasika ny fahadiovana izy ireo; saingy tsy manao ho zava- dehibe ny fahadiovan’ny fo amam-panahy ao anaty. Ny olona toy izany, hoy Jesoa, dia mpitarika adala sy jamba (and.17,24), mifanohitra amin’izay tsara asehony ho hitan’ny olona ny tena toetra anatiny. Mpihatsaravelatsihy!

Fanontaniana:

Milaza endrika fianianana fampiasan’ny olona ankehitriny.

Sampana Sekoly Alahady Foibe