Lalana tsy maintsy lalovana raha ho any amin’ny fiainana mandrakizay ny fanenjehana

Mofonaina anio: Talata, faha 11 Jona 2024

Marka 13.9-13

Marka 13.9-13
9 Fa mitandrema ianareo, fa hatolotra amin'ny Synedriona sy hokapohina ao amin'ny synagoga ary hitsangana eo anatrehan'ny mpanapaka sy ny mpanjaka noho ny amiko ianareo ho vavolombelona aminy. 10 Ary ny firenena rehetra tsy maintsy hitoriana ny filazantsara aloha. 11 Koa raha mitondra anareo hatolotra izy, dia aza manahy rahateo izay holazainareo; fa izay teny homena anareo'amin'izany ora izany no holazainareo; fa tsy ianareo no hiteny, fa ny Fanahy Masina. 12 Ary ny rahalahy hanolotra ny rahalahiny ho amin'ny fahafatesana, ary ny ray hanolotra ny zanany; ary ny zanaka hitsangana hanohitra ny rainy aman-dreniny ka hahafaty azy. 13 Ary ho halan'ny olona rehetra ianareo noho ny anarako: fa izay maharitra hatramin'ny farany no hovonjena.

Lalana tsy maintsy lalovana raha ho any amin’ny fiainana mandrakizay ny fanenjehana

Ny fanenjehana dia ateraky ny tsy fetezan’ny olona iray hanaraka ny fanaon’izao tontolo izao, na ny tsy fitovian-kevitra eo amin’ny kristiana sy ny olon’izao tontolo izao. Tsy misy fanenjehana rehefa samy ao amin’ny fahaverezana, fa misy izy matetika rehefa hitan’izao tontolo izao fa tsy miaraka aminy manao ireo faharatsiana ny Kristiana. Satana no ambadika fa ny olona fotsiny no ampiasainy hanatanteraka ireny fanenjehana ireny. Ny antony dia satria izy tsy mba isan’izay azo vonjena, tany an-danitra izy no nazera, ary tsy mahazo miverina any intsony. Mazava ho azy fa izay olona mikasa na efa mizotra ho any dia sakanany amin’ny fomba maro sy araka izay azony atao, mandrapahafatin’iny olona iny.

Nihatra tamin’i Jesoa ny fanenjehana, noho izany tsy maintsy manahaka izay manaraka ihany koa. Misy karazany maro ny fanenjehana: misy ireo izay mivantana amin’ny aina toy ny fanamelohana ho faty, fanagadrana, herisetra ara-batana. Misy koa ireo izay ankolaka toy ny hoso-potaka, endrikendrika, fanakanana ireo tombotsoa ny tena samihafa, sakantsakana amin’izay atao, tsy firaharahiana izay zavatra ataon’ny tena…Ny tanjona amin’ireny dia ny andraisana anjara amin’ny faharatsiany amin’izay miaraka tsy voavonjy. Hoy i Jesoa ao amin’ny Matio 16. 24: « Raha misy ta hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazo fijaliany ka hanaraka Ahy« . Ny olona an’ny Tompo no enjehina fa ny an’ny devoly no mpanenjika.

Fanontaniana:

Raha ireo voatanisa ireo no endrika fanenjehana, aiza àry no misy anao, mpanejika sa ilay enjehina?

Sampana Sekoly Alahady Foibe