laino ny toe-panahy araka an’Andriamanitra

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 11 Novambra 2024

Deoteronomia 4.5-8

Deoteronomia 4.5-8
5 Indro, efa nampianariko didy sy fitsipika ianareo, araka izay nandidian'i Jehovah Andriamanitro ahy, mba harahinareo any amin'ny tany izay efa hidiranareo holovana. 6 Koa tandremo ary ataovy izany, fa izany no ho fahendrenareo sy ho fanananareo saina eny imason'ny firenen-tsamy hafa; fa handre izany lalàna rehetra izany izy ka hanao hoe: Olona hendry sy manan-tsaina tokoa io firenena io 7 Fa iza no firenena, na dia lehibe aza, no mba manana andriamanitra akaiky azy tahaka an'i Jehovah Andriamanitra amin'izay rehetra iantsoantsika Azy? 8 Ary iza no firenena, na dia lehibe aza, no mba manana didy sy fitsipika marina tahaka izao lalàna rehetra izao, izay ataoko eo anatrehanareo anio?

laino ny toe-panahy araka an’Andriamanitra

1. Dia hiavaka ianao (and,5-6)

Napetrak’Andriamanitra sy natolony ho an’ny olony tamin’ny alalan’i Mosesy ny didy sy fitsipika mba họ tandremany. Toa izany koa ho antsika ankehitriny: natolotra ho antsika tamin’ny alalan’ny mpanompony ny Teniny izay mirakitra ny didy sy ny fitsipiny mba iavahantsika mihoatra noho ny hafa. Fahendrena sy fahiratan-tsaina no ho tonga sy hananan’izay mitandrina ny didy sy fitsipiny. (ohatra Josefa ilay namidin’ny rahalahiny, Solomona Mpanjaka). Fa isika ihany koa dia tian’Andriamanitra hiavaka noho ny fahendrena sy fahiratan-tsaina ka asainy mitandrina ny didy sy fitsipiny.

2. Dia tonga ho taratry ny fahalebiazany ianao (and.7-8)

Andriamanitra miavaka Izy ary tsy misy toa Azy. Isika mivavaka Aminy ihany no manana Andriamanitra akaiky (teny hebreo qarowizay midika hoe akaiky na fotoana na toerana na fifandraisana), Andriamanitra miara-monina. Tokony ho hita taratra eo amin’ny fianantsika ny fananatsika Azy ka ahitan’ny olona tokoa ny fikarakarany antsika. «Izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro: Amin’izany andro izany dia hisy folo lahy avy amin’ny firenena samy hafa fiteny rehetra hihazona ny sisin-damban’ny Jiosy anankiray ka hanao hoe: Mba handeha hiaraka aminareo izahay; fa efa renay fa momba anareo Andriamanitra. » (Zak 8.23)

Fanontaniana:

Inona avy ireo zavatra miavaka efa nataon’ny Tompo taminao?

Sampana Sekoly Alahady Foibe


Mofon'aina teo aloha

Fisorohana ny fahakamoana ao amin’ny...

Alakamisy, 7 Novambra 2024

Iaino ny toe-panahy araka an’Andriamanitra Toy ny fiarahamonina rehetra dia misy karazan’olona maro ao anaty…

Fanoloran-tena sy fanavaozana ny sai...

Talata, 29 Oktobra 2024

1. Hanolo-tena ho an’Andriamanitra (and 1) « Koa amin’izany, mangataka aminareo aho ry rahalahy, noho, ny…

Fiandrasana ny fiavian’ny Tompo sy f...

Alatsinainy, 28 Oktobra 2024

Ity toko fahatelo ity dia mampahatsiahy antsika fa ho avy ny Tompo, ary mampianatra antsika…