Kristiana miverina amin’ny fitiavana voalohany

Mofonaina anio: Zoma, faha 13 Martsa 2020

Apokalipsy 2 : 1 - 7

Apokalipsy 2 : 1 - 7
1 [Ny Epistily ho an'ny fiangonana fito tany Asia] [Efesosy] Soraty ho amin'ny anjelin'ny fiangonana* any Efesosy. Izao no lazain'ilay miharona ny kintana fito eny an-tànany ankavanana sady mandeha eo afovoan'ny fanaovan-jiro volamena fito: [* Gr. eklesia]

Kristiana miverina amin’ny fitiavana voalohany

Tenin’i Jesoa ho an’ny fiangonana tao Efesosy ity. Ny Kristiana tao amin’ny fiangonana dia ambaran’i Jesoa fa kristiana niaritra izay natao taminy noho ny amin’i Jesoa. Kristiana nanan-tsiny koa izy ireo noho izy ireo niala tamin’ny fitiavana voalohany. Eto dia taomina hiverina amin’ny fitiavana voalohany koa izy ireo.

1 – Mahatsiaro ny lasa (and.5)

Ilay lasa asaina tsarovana eto dia ilay lasa mamirapiratra tao amin’ny Tompo (fony tsy mbola lavo). Araka izany dia anisan’ny dingana fiverenana amin’ny fitiavana ny mahatsiaro ny lasa izay mbola nahatehirizana ny tena tsy nanan-tsiny teo anatrehan’ny Tompo. Eo amin’ny fiainana maha kristiana tokoa dia efa tena niaina izany isika, indrindra taorian’ireny fotoana nandraisam-pahasoavana samihafa ireny. Koa samia mahatsiaro izany isika rehetra.

2 – Mibebaha (and. 5)

Rehefa mahatsiaro ny lasa niarahana tamin’ny Tompo isika, ka eo no mahatsiaro koa fa nisy lasa toa maloka izay tsaroana fa nampanalavitra tamin’ny Tompo. Dia aoka hanapa-kevitra avy hatrany hiverina amin’ny Tompo amin’ny fibebahana fa tsy hangataka andro akory. Tsy ho tafaverina amin’ny Tompo sy ny fitiavana voalohany na oviana na oviana izay tsy mahabebaka.

3 – Miasa amin’ny fo feno fitiavana

Ny fibebahana dia mitarika antsika hanonitra izay rehetra tsy mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra. Asa ateraky ny fibebahana ny asa vokatry ny fo feno fitiavana. Izay mibebaka tokoa dia miasa ho an’ny Tompo amin’ny fitiavana tokoa.

Fanontaniana : Raha hiverina amin’ny fitiavana voalohany, ahoana no atao?