Kristiana miaina ny fitondrantena araka an’i Kristy:

Mofonaina anio: Alahady, faha 29 Desambra 2024

Filipiana 2.1-11

Filipiana 2.1-11
1 [Anatra hamporisika ny Filipiana hitondra tena tsara sy hanetry tena tahaka an'i Jesosy Kristy] Koa raha misy famporisihana ao amin'i Kristy, raha misy fampiononana avy amin'ny fitiavana, raha misy firaisana amin'ny Fanahy, raha misy famindram-po sy fiantrana, 2 dia tanteraho ny fifaliako, mba hiraisanareo saina, miray fitiavana, miray fo, miray hevitra, 3 tsy manao na inona na inona amin'ny fifampiandaniana, na mandrani-tena foana fa amin'ny fanetren-tena dia aoka samy hanao ny namany ho mihoatra noho ny tenany. 4 Aza samy mihevitra ny azy ihany, fa samy ny an'ny namany koa. 5 Aoka ho ao aminareo izao saina izao, izay tao amin'i Kristy Jesosy koa, 6 Izay, na dia nanana ny endrik'Andriamanitra aza, dia tsy nataony ho zavatra hofikiriny mafy ny fitoviana amin'Andriamanitra, 7 fa nofoanany ny tenany tamin'ny nakany ny endriky ny mpanompo sy nahatongavany ho manam-pitoviana amin'ny olona; 8 ary rehefa hita fa nanan-tarehy ho olona Izy, dia nanetry tena ka nanaiky hatramin'ny fahafatesana, dia ilay fahafatesana tamin'ny hazo fijaliana. 9 Koa izany no nanandratan'Andriamanitra Azy indrindra sy nanomezany Azy ny anarana izay ambony noho ny anarana rehetra, 10 mba ho amin'ny anaran'i Jesosy no handohalehan'ny lohalika rehetra, na ny any an-danitra, na ny et? an-tany, na ny any ambanin'ny tany, 11 sy haneken'ny lela rehetra fa Jesosy Kristy no Tompo ho voninahitr'Andriamanitra Ray.

Kristiana miaina ny fitondrantena araka an’i Kristy:

1- Manao ho zava-dehibe ny fiombonana (Vakio ny and.1-4)

Ny firaisana amin’i Kristy dia fiombonana amin’ny Fanahy Masina. Izay no fototra ahafahan’ny mpino mahatanteraka ny sitrapon’ Andriamanitra, sy ahaizana miombona amin’ny mpiara- belona, indrindra fa amin’ny mpianakavin’ny finoana. Ny olona manana firaisana Aminy dia manana fitiavana sy fangorahana; be hatsaram-po, afaka hifankatia sy hiray saina. Ampirisihin’i Paoly ny mpino mba hanana izany toe-panahy izany ka ⚫ hanalavitra izay mety hitondra ho amin’ny fifampiandaniana sy fanaovana tsinontsinona ny namana. Zava-dehibe amin’izany ny fialana amin’ny fitiavan-tena, ka hiheverana ny namana ho ambony noho ny tena. Izany no tena fanetren-tena. Milamina sy mirindra ny fiarahamonina, raha Kristy no atao ivon’ny fiombonana.

2- Manana ny toe-tsain’i Kristy (Vakio ny and. 5-11)

Kristy dia Andriamanitra, nananany avokoa ny toetr’ Andriamanitra: ny hajany, ny voninahiny, ny fahefany. Nafoiny anefa izany rehetra izany tamin’ny nanekeny haka ny endriky ny mpanompo. Ho sarotra amin’ny olona izay tompon’andevo ny hidina an-tsitrapo ho tonga andevo. Nanana izany toe-tsaina izany i Kristy nandritra ny androm-piainany tety an-tany: nanomboka tamin’ny fahaterahany tany am-pihinanam- bilona, ka hatramin’ny nahafatesany tamin’ny Hazofijaliana. Izany fanetren-tena lehibe izany no nitondra Azy ho amin’ny voninahitra sy laza eo anatrehan’Andriamanitra. Ny fanetren-tena no làlana mankamin’ny voninahitra sy ny fisandratana fa tsy ny fandrombahana fahefana an-terisetra. « …Ary izay manetry tena no hasandratra » (Lio 14.11b)

Fanontaniana:

Inona avy ny voka-dratsy ateraky ny tsy fahaiza-manetry tena?

Sampana Sekoly Alahady Foibe