Kristiana miaina amin’ny fahasoavana

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 06 Jona 2020

ASAN'NY APOSTOLY 4.32-37

ASAN'NY APOSTOLY 4.32-37
32 [Ny nifankatiavan'ny mpianatra sy ny fahazotoany] Ary niray fo sy fanahy ny olona rehetra izay nino; ary tsy nisy nanonona ny fananany ho azy na dia iray aza, fa niombonany avokoa ny zavatra rehetra nananany. 33 Ary tamin'ny hery be no nanambaran'ny Apostoly ny nitsanganan'i Jesosy Tompo; ary fahasoavana be no tao amin'izy rehetra. 34 Fa tsy nisy olona nalahelo teo aminy; fa izay nanana tany na trano, raha nivarotra izany, dia nitondra ny vola vidin'ny zavatra lafo, 35 ka napetrany teo anoloan'ny tongotry ny Apostoly, dia nozaraina tamin'izy rehetra araka izay nilainy avy 36 Ary Josefa, izay nataon'ny Apostoly hoe koa Barnabasy (izany hoe, raha adika, Zanaky ny fananarana), Levita, avy any Kyprosy no firazanany, 37 dia nivarotra ny sahany, ary nentiny ny vola vidiny ka napetrany teo anoloan'ny tongotry ny Apostoly.

Kristiana miaina amin’ny fahasoavana

Rehefa nitory an’i Jesoa ny kristiana tamin’ny taonjato voalohany dia ambaran’i Lioka fa « …fahasoavana no tao amin’izy rehetra » (and33) .Fiainana feno fahasoavana no nentin’izy ireo nitory an’i Jesoa Kristy .

1-Kristiana niray fo sy saina (and32)

« Ary niray fo sy fanahy ny olona rehetra izay nino ». Nasehon’ireo kristiana voalohany tamin’ny firaisana tao amin’i Jesoa Kristy .Tena lavitry ny fiainana samy naka ho azy izy ireo , ary tena hita teo amin’izy ireo ny voalazan’i Paoly hoe : »saina iray sy vava iray no hiarahanareo mankalaza an’ Andriamanitra,Rain’i Jesoa Kristy » (Rom 15.6). Anisan’izay nahatonga ny fahombiazan’ny fampielezana ny Filazantsara ity firaisana teo amin’ny kristiana voalohany ity. Zava-tsoa tsara fianatra tamin’izy ireo ho antsika taranaka ankehitriny izany .Rehefa tena hita eo amin’ny samy mpitory tokoa ny firaisana , fihavanana araka an’Andriamanitra dia ho mora ny mitaona ny hafa handray izany.

2-Kristiana manaiky hitovy (and34-35)

Ny fivarotana ny zavatra rehetra izay nananana sy ny fametrahana ny vidin’izany teo amin’ny tongotry ny Apostoly dia mariky ny toe-tsaina nanaiky hitovy teo amin’ny kristiana voalohany . Mba tsy hisy tombo sy hala , mba tsy hisy manana kokoa sy mahantra kokoa , dia tonga fomba fiaina teo aminy ny fitoviana tamin’ny endrika hita maso .Toe-tsaina efa lasa lavitra amin’ny finoana no mahavita toy izao .Mahafoy izay mety ho tombony manokana mba hitoviana amin’ny rahalahy mpiara-mitory .Mitovy ny fari-piainana ka afaka nifanohana.

Fanontaniana:

Mbola azo aseho ho hita maso ve ny fitoviana ao amin’i Jesoa Kristy ? Ahoana no fomba hahatanteraka izany?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM