Kristiana manaraka an’I Jesoa Kristy
Mofonaina anio: Alahady, faha 13 Jona 2021
Jaona 1. 35-42
Jaona 1. 35-42
35 Nony ampitson'iny indray dia nijanona Jaona sy ny mpianany roa lahy; 36 ary nijery an'i Jesosy nitsangantsangana izy ka nanao hoe: Indro ny Zanak'ondrin'Andriamanitra! 37 Ary ireo mpianatra roa lahy ireo, rehefa nandre azy niteny, dia nanaraka an'i Jesosy. 38 Ary Jesosy nitodika ka nahita azy manaraka, dia nanao taminy hoe: Inona no tadiavinareo? Ary hoy izy roa lahy taminy: Raby (izay atao hoe, raha adika, Mpampianatra ô, aiza Hianao no mitoetra? 39 Hoy Izy taminy: Avia, fa ho hitanareo. Koa dia nandeha izy ka nahita izay nitoerany ary nitoetra teo aminy tamin'izany andro izany; ary efa tokony ho ora fahafolo tamin'izay. 40 Andrea, rahalahin'i Simona Petera, no anankiray tamin'izy roa lahy, izay nandre ny tenin'i Jaona ka nanaraka an'i Jesosy. 41 Izy no nahita an'i Simona rahalahiny aloha, dia hoy izy taminy: Efa nahita ny Mesia izahay (izay atso hoe, raha adika, ny Kristy). 42 Dia nitondra azy ho any amin'i Jesosy izy. Ary nony nijery azy Jesosy, dia hoy Izy: Hianao no Simona, zanak'i Jaona; ianao hatao hoe Kefasy (izay atao hoe, raha adika, Petera*) [*Petera = vato]Kristiana manaraka an’I Jesoa Kristy
Hafa kely ny fomba nahatonga ny Apostoly ho mpanaraka an’I Jesoa ao amin’ny filazantsara nosoratan’i Jaona. Rehefa tena dinihina dia nifampitarika ho eo amin’I Jesoa izy ireo. Izay tonga nanaraka Azy. Ny mino manaraka an’I Jesoa dia:
1- Nandre sy nahita an’I Jesoa (and 37)
Rehefa fantatry ny mpianatr’i Jaona fa Jesoa no Zanak’ondrin’Andriamanitra dia narahin’izy ireo Izy . Ilay fitaoman’i Jaona azy ireo teo amin’I Jesoa ka nahitany an’I Jesoa no naharesy lahatra azy ireo. Rehefa tena fantatry ny olona ny maha-Izy Azy an’I Jesoa dia resy lahatra manaraka Azy izy. Adidintsika izay efa mino, izay efa manaraka an’I Jesoa no mitaona ny olona ho eo amin’I Jesoa mba hahatonga azy ireo hahita an’I Jesoa ka hanaraka Azy koa. Maro no efa tonga teo amin’I Jesoa, nahalala sy nahita an’I Jesoa ka resy lahatra nanaraka Azy.
2-Nifampitaona ho eo amin’I Jesoa (and 42)
Nifampitarika ho eo amin’I Jesoa ny Apostoly ao amin’ny Filazantsara nosoratan’i Jaona. Ilay fahatongavana teo amin’I Jesoa dia nampitombo be dia be kokoa ny fahalalana Azy. Ary rehefa nitombo ny fahalalana an’I Jesoa dia tonga tao tao amin’ireo Apostoly ny faharesen-dahatra hanaraka an’I Jesoa. Tsy hanaraka an’I Jesoa mihitsy ny olona tsy tonga eo Aminy, na tonga eo Aminy ka tsy mitombo amin’ny fahalalana Azy. Rehefa tonga ao amin’ny Fiangonana isika, noho ny fitarihan’ny namana, ataovy zava-dehibe ny hitombo amin’ny fahalalana an’I Kristy, rehefa mitombo mantsy izany dia ho tonga ao amintsika koa ny faharesen-dahatra hanaraka an’I Jesoa.
Fanontaniana:
Ahoana no fomba hitarihana ny namana ho eo amin’I Jesoa?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE-FJKM