Kristiana manantena fanavotana
Mofonaina anio: Alahady, faha 29 Novambra 2020
LIOKA 21.25-28
LIOKA 21.25-28
25 Ary hisy famantarana eo amin'ny masoandro sy ny volana ary ny kintana, ary et? ambonin'ny tany dia hisy fahorian'ny firenena amin'ny fahaverezan-kevitra noho ny firohondrohon'ny ranomasina sy ny fanonjany, 26 ka ho reraka ny fon*'ny olona noho ny fahatahorany sy ny fiandrasany izay zavatra ho tonga ambonin'ny tany; fa ny herin'ny lanitra dia hohozongozonina.[* Na: ka hisy ho faty aza] 27 Ary amin'izany andro izany dia hahita ny Zanak'olona avy eo amin'ny rahona amin-kery sy voninahitra lehibe izy. 28 Ary raha vao miandoha izany zavatra izany dia miandrandrà, ka asandrato ny lohanareo; fa manakaiky ny fanavotana anareo.Kristiana manantena fanavotana
Filazan’i Jesoa mialoha ny handravan’ny Romana an’i Jerosalema izao Lioka 21 izao . Fandravana mahatsiravina ka hahavery hevitra ny maro dia :
1-Ho reraka am-po izy (and 25,26)
Ireo zavatra hisy : zavatra mahatsiravina , fahoriana lalina satria horavan’ny Romana ny tanàna , hopotehan’ny Romana ny Tempoly ary tena hodorany izany . Ny fahitana ireo tranga manahirana ireo dia handreraka ny fon’ny mponina ao Jerosalema . Ireo tranga mahatsiravina , mampahory , mampatahotra sy mampihorohoro eto amin’izao tontolo izao dia ambaran’ny Soratra Masina fa hahavery hevitra ny maro na dia ny kristiana aza, ka handreraka ny fony . Ny rera-po dia ho enti-manondro olona ao anatin’ny fampoizam-po ka toa tsy manana hery ho enti-miatrika ny fiainana akory . Mety hahazo sy ho tonga amin’ny mino izany
.2-Mahazo manantena fanavotana izy (and27,28)
Ny Tenin’i Jesoa dia tsy mifarana amin’ny fitanisana ireo loza samihafa , ireo fahasarotana izay mitondra amin’ny faharerahana am-po . Mitohy amin’ny fampitodihana ny mino hiandrandra any ambony any amin’izay misy an’Andriamanitra , any amin’izay misy an’i Jesoa Kristy . Ny hoe : miandrandra mantsy dia endriky ny fanantenam-pamonjena avy any ambony . Te- hitaona i Jesoa manao hoe : amin’ny fotoana maharera-po dia azo atao ny manantena famonjena , fanavotana avy amin’ Andriamanitra . Tsy mifarana eo amin’ny olana tokoa ny fiainana eto amin’izao tontolo izao . Raha izany mantsy dia hamoy fo ny maro , fa misy izay azo antenaina dia fanavotana sy famonjena avy amin’i Jesoa . Ny fanantenana famonjena no maha-kristiana ny kristiana .
Fanontaniana :
Ahoana ny fomba tsy hahatongavana amin’ny fampoizampo ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM