Kristiana ao amin’ Andriamanitra
Mofonaina anio: Talata, faha 03 Martsa 2020
1 JAONA 2.1-11
1 JAONA 2.1-11
1 Anaka, izany zavatra izany no soratako ny aminareo mba tsy hanotanareo. Ary raha misy manota, dia manana Solovava* ao amin'ny Ray isika, dia Jesosy Kristy, Ilay Marina; [* Gr. parakleto; izahao Jao. xiv. 16] 2 ary Izy no avotra* noho ny fahotantsika, ary tsy noho ny antsika ihany, fa noho ny an'izao tontolo izao koa. [* Na: fanatitra fampiononam-pahatezerana; izahao Rom. iii, 25] 3 Ary izao no ahafantarantsika fa mahalala Azy isika, dia ny fitandremana ny didiny. 4 Izay manao hoe: Fantatro Izy, nefa tsy mitandrina ny didiny, dia mpandainga, ary ny marina tsy ao anatiny. 5 Fa na iza na iza mitandrina ny teniny, dia tanteraka ao aminy marina tokoa ny fitiavana an'Andriamanitra* izany no ahafantarantsika fa ao aminy isika. [* Na: ny fitiavan'Andriamanitra] 6 Izay* milaza fa mitoetra ao aminy izy, dia tsy maintsy mandeha toy izay nandehanany koa. [* Na: Izao no ahafantarantsika fa ao aminy isika: Izay etc] 7 Ry malala, tsy didy vaovao no soratako aminareo, fa didy ela, izay nanananareo hatramin'ny voalohany. Ny didy ela dia izay teny efa renareo. 8 Ary koa, didy vaovao no soratako aminareo, dia zavatra marina eo aminy sy eo aminareo, satria miala ny maizina, ary ny mazava marina no mahazava ankehitriny. 9 Izay milaza fa ao amin'ny mazava izy, kanefa mankahala ny rahalahiny, dia mbola ao amin'ny maizina ihany. 10 Izay tia ny rahalahiny no mitoetra ao amin'ny mazava, ka tsy misy fahatafintohinana ao aminy. 11 Fa izay mankahala ny rahalahiny dia ao amin'ny maizina ary mandeha ao amin'ny maizina ka tsy mahalala izay alehany, satria ny maizina no efa nahajamba ny masony.Kristiana ao amin’ Andriamanitra
Eo amin’ny and 6 Jaona dia milaza mazava fa »izay milaza fa mitoetra ao aminy , dia tsy maintsy mandeha toy izay nandehanany koa « . Izay rehetra ao amin’i Jesoa araka izany , izany hoe : efa tafaverina ao amin’Andriamanitra dia tsy maintsy mandeha tahaka an’i Jesoa .
2-Mitandrina ny didin’Andriamanitra (and4)
« izay manao hoe: fantatro Izy, nefa tsy mitandrina ny didiny dia mpandainga ary ny marina tsy ao anatiny »
Rehefa mahatsiaro an’i Jesoa isika , rehefa mahatsiaro ny fombany sy ny fandehanany teto amin’izao tontolo izao . Anisan’ny zavatra iray tena hahatsiarovana Azy ny nandehanany araka ny didin’ Andriamanitra . Koa izay ao amin’i Jesoa dia toa izany ihany . Miezaka mandrakariva manaraka ny didin’ Andriamanitra . Araka izany , dia azo tarafina amin’ny fanarahana ny didin’ Andriamanitra ny maha-ao amin’i Jesao antsika na tsia.
2-Tia ny namany (and10)
DIEM « izay tia ny namany no mitoetra ao amin’ny fahazavana ». Jesoa dia nilaza fa Izy no fahazavan’izao tontolo izao . Ao Aminy araka izany izay tia namana .Tsy afaka milaza ny tenany ao amin’i Jesoa, na ao amin’ny fahazavana iza tsy mba tia ny namany . Endrika iray hanehoana fitandremana ny didin’Andriamanitra ny fitiava-namana .Noho izany , izay tena tia namana dia tafatoetra sy tafaverina marina ao amin’ny Tompo . Ny fitiavana ny namana rahateo no endrika hita maso maneho ny fitiavana an’Andriamanitra izay tsy voatery ho hita maso .
Fanontaniana:
Ahoana no hahazoako antoka fa efa ao amin’i Jesoa aho?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM