Josoa sy ny Fidiran’Andriamanitra amin’ny Ady
Mofonaina anio: Zoma, faha 28 Febroary 2025
Sal 92, 1-3 / Hira 21:1.3 / Mofonaina / Hira 643 : 1,2
Josoa 10.8-11
8 Ary hoy Jehovah tamin'i Josoa: Aza matahotra azy, fa efa natolotra eo an-tananao izy, ka tsy hisy hahajanona eo anoloanao izy na dia iray akory aza. 9 Ary tonga tampoka tamin'ireo Josoa; fa nanao lava alina-avy tany Gilgala izy. 10 Ary Jehovah nampifanaritaka ireo teo anoloan'ny Isiraely; ary namely ireo tany Gibeona izy ka nahafaty maro be, sady nanenjika azy tamin'ny fiakarana mankany Beti-horona izy ka namely azy hatrany Azeka ka hatrany Makeda. 11 Ary nony nandositra teo anoloan'ny Isiraely teo am-pidinan'i Beti-horona izy, Jehovah dia nandatsaka havandra vaventy taminy avy tany an-danitra hatrany Azeka ka nahafaty azy; ary be lavitra ny matin'ny havandra noho izay novonoin'ny Zanak'Isiraely tamin'ny sabatra.1. Manafa-tahotra amin’ny Teniny Andriamanitra
Vaovao tsara no voarain’i Josoa manoloana ny ady atrehiny ka nitenen’ Andriamanitra azy hoe «aza matahotra » (And.8). Josoa vao avy nofitahin’ny Gibeonita anefa hiatraka ady indray no nahazo izany fampaherezana izany. Ary teny fanomezan-toky fa handresy ireo fahavalo na maro aza ka nahatonga azy nanana risi-po hiatrika ny ady ka nanao lava alina avy hatrany nakany Gibeona.
Tsaroana etoana ny adin-tsaina nahazo an’i Maria rehefa nitoe-jaza izy. Tonga Andriamanitra nampahery azy tamin’ny alalan’ny anjely ka nilaza hoe: « Aza matahotra ry Maria…» (Lio 1, 30)
2. Mandray anjara amin’ny adin’ny olony Izy
Rehefa roso tamin’ny ady ry Josoa dia nandray anjara fa tsy nijery fotsiny Andriamanitra. Maneho fa Mpiady mahery sady manana fahefana tsy hay tohaina Izy amin’ny maha Tsitoha Azy. Nampifanaritaka ny fahavalo (And.10) sady nandatsaka havandra vaventy Izy (And. 11). Teo anatrehan’ny miaramila Egytiana sy ny ranomasina mena no efa nandray anjara toy izao Izy. Tena miara-mandeha amin’ny olony Andriamanitra ka momba sy miandany mba handresen’ireto farany. Nohamarinin’ny Tompo ny Teniny fa ho « fahavalon’ny fahavalonao sy ho rafin’ny rafinao Aho » (Eks 23, 22). Hezekia mpanjaka dia resy lahatra fa ny Tompo dia hiady ho azy ireo nanoloana ny Asyriana tamin’izany (2 Tan 32, 7-8).
Fanontaniana:
Maninona no tsy manaiky ny fidiran’ Andriamanitra an-tsehatra amin’ny adiny ny kristiana maro?
Sampana Sekoly Alahady Foibe