Jesos Kristy tonga eo amin’ny olona
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 08 Martsa 2025
Matio 4. 12-17
Matio 4. 12-17
12 Ary nony ren'i Jesosy fa efa voasambotra Jaona, dia lasa nankany Galilia Izy. 13 Ary nony niala tany Nazareta Izy, dia nankany Kapernaomy, izay ao amoron-dranomasina, ao amin'ny zara-tanin'ny Zebolona sy ny Naftaly, ka nonina tao Izy, 14 mba hahatanteraka izay nampilazaina an'Isaia mpaminany hoe: 15 Ny tanin'ny Zebolona sy ny tanin'ny Naftaly, Ao amin'ny tany amoron-dranomasina, any an-dafin'i Jordana, Galilia, tanin'ny jentilisa, 16 Ny olona izay nitoetra tao amin'ny maizina dia nahita mazava lehibe; Ary izay nitoetra tao amin'ny tany aloky ny fahafatesana no niposahan'ny fahazavana (Isa. 8. 23; 9. 1). 17 Ary tamin'izany andro izany dia nanomboka nitori-teny Jesosy ka nanao hoe: Mibebaha ianareo, fa efa akaiky ny fanjakan'ny lanitra.Jesos Kristy tonga eo amin’ny olona
1. Te-hamonjy ny olona rehetra
«Ny tanin’ny Zebolona sy ny tanin’ny Naftaly, (…) any an-dafin’i Jordana Galilia, tamin’ny jentilisa,» (And. 15)
Ny ankamaroan’ny mponina tao dia Jentilisa fa vitsivitsy ihany ny Jiosy. Ireo Jentilisa ireo dia nataon’ny Jiosy tany amin’ny faritr’i Jodia tsinontsinona noho ny tsy fahalalana sy ny fahasamihafan’ny fivavahana. Tao anefa no nanombohan’i Jesoa ny asany. Tsy maintsy tanteraka ny voalazan’ny Soratra Masina nampilazaina ny mpaminany. Ary mikendry ny olona rehetra ny famonjena nentin’i Jesoa Kristy. Ka na Jiosy na jentilisa dia samy mendrika handray ny famonjen’i Jesoa avokoa. Koa raiso ny famonjeni Kristy tonga eo aminao.
2. Manambara ny fanjakan’ny lanitra
«Mibehaha ianareo, fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra.» (and. 17)
Fitaomana ny olona tany amin’ny faritr’i Galilia hibebaka no nanombohan’i Jesoa ny toriteniny. Manana heviny hafa noho ny an’i Jaona Mpanao Batisa ny fibebahana eto. Ny fibebahana dia fahatongavan’ny fanjakan’ny lanitra ankehitriny sy ny hihaviany amin’ny fahafenoana amin’ny andro ho avy. Noho izany, ny fibebahana dia midika ho fisantarana sahady ny fanjakan’ny lanitra amin’ny andro ankehitriny ary hiainana amin’ny fahafenoana izany amin’ny fiverenan’i Jesoa Kristy indray. Ny olona efa nibebaka izany, dia olona miaina ny fiainan-danitra na dia mbola ety an-tany aza.
Fanontaniana
Inona no mahasamihafa ny fibebahana lazain’ Jaona Mpanao Batisa sy ny lazain i Jeson Kristy?
Sampana Sekoly Alahady Foibe