Jesoa no mpanafaka amin’ny fangejan’ny lalàna

Mofonaina anio: Alahady, faha 11 Jona 2023

JAONA 8.1-11

JAONA 8.1-11
1 [fa Jesosy kosa nankany an-tendrombohitra Oliva] 2 [Ary nony maraina koa dia nankeo an-kianjan'ny tempoly indray Jesosy, ary ny vahoaka rehetra nanatona Azy, dia nipetraka Izy ka nampianatra azy] 3 [Ary nisy vehivavy anankiray azo nijangajanga nentin'ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo; ary rehefa napetrany teo afovoany izy,] 4 [dia hoy ireo taminy: Mpampianatra ô, ity vehivavy ity azo olan-tanana nijangajanga] 5 [Ary ao amin'ny lalàna Mosesy dia nandidy antsika fa hotoraham-bato izay vehivavy manao toy izany (Deo. 22. 22-24); fa ahoana kosa hoy Hianao?] 6 [Izany no nolazainy hakany fanahy Azy, mba hahazoany izay hiampangany Azy. Fa Jesosy niondrika ka nanoratra teo amin'ny tany tamin'ny rantsan-tànany] 7 [Ary raha naharitra nanontany Azy ireo, dia nitraka Izy ka nanao taminy hoe: Izay tsy nanota eo aminareo no aoka hitora-bato azy voalohany] 8 [Dia niondrika indray Izy ka nanoratra teo amin'ny tany tamin'ny rantsan-tànany] 9 [Ary raha nandre izany izy, dia nivoaka tsirairay hatramin'ny zokinjokiny ka hatramin'ny zandrinjandriny; ary Jesosy irery ihany no sisa teo sy ilay vehivavy teo] 10 [Ary rehefa nitraka Jesosy, dia hoy Izy taminy; Ravehivavy, aiza ireny? Tsy nisy nanameloka anao va?] 11 [Ary hoy izy: Tsy misy, Tompoko. Dia hoy Jesosy: Izaho koa dia tsy manameloka anao; mandehana, ary amin'izao sisa izao dia aza manota intsony]

Jesoa no mpanafaka amin’ny fangejan’ny lalàna

« izay tsy nanota taminareo no aoka hitora-bato azy voalohany » (and7b)

Raha ny lalàna voasoratra ao amin’ny Deo 22.22-24 dia tokony ho faty tokoa ity vehivavy ity sy ilay lehilahy niaraka taminy .Lalàna voasoratra izany , fantany tsara fa tsy azo atao ,kanefa nataony ihany .Inona àry no antony ?Filàna amin’ny maha-voajanahary itovizana amin’ny biby na ilay antsoina hoe: « instinct ».Noteren’ny filàna izy ireo dia tsy nahavita nanohitra intsony ka izao tratra izao,sady afa-baraka satria eo imasom-bahoaka no eo ambavaran’ny fahafatesana ,saingy avotra ny ainy satria hitan’i Jesoa fa tsy niteny nanamari-tena intsony ilay vehivavy .Ny tenin’i Jesoa nanafaka azy dia nanome lanja ny famindrampon’Andriamanitra . »Izaho koa dia tsy manameloka anao , mandehana ary amin’izao sisa izao dia aza manota intsony  »

Efa fantatr’i Jesoa fa filàna mangeja no nahatonga azy hijangajanga na dia efa fantany aza fa mahafaty izany .Tsy manameloka azy mihitsy anefa iJesoa fa nampitandrina kosa mba tsy hanota intsony .Raha manatona an’i Jesoa isika ka miaiky fa diso dia ho voavela ny helokao ary afaka amin’ny filan-dratsy ianao .Ao amin’i Jesoa ihany no misy ny fanafahana antsika amin’izany karazan-kery mangeja zany .

Fanontaniana :

Ahoana ny hevitra momba ireo tantara ireo ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM