Jesoa no Mesia
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 15 Mey 2023
MARKA 12.35-37
MARKA 12.35-37
35 Ary Jesosy, raha nampianatra teo an-kianjan'ny tempoly, dia namaly ka nanao hoe: Ahoana no lazain'ny mpanora-dalàna fa Kristy no Zanak'i Davida? 36 Kanefa ny tenan'i Davida dia nampilazain'ny Fanahy Masina hoe: Jehovah nilaza tamin'ny Tompoko hoe: Mipetraha eo an-tanako ankavanana Ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao (Sal. 110. 1). 37 Ny tenan'i Davida manao Azy hoe Tompo, koa ahoana no maha-Zanany Azy? Ary ny vahoaka betsaka nihaino Azy tamin'ny hafaliana.Jesoa no Mesia
1-Jesoa dia lehibe noho i Davida
Ny fanantenan’ny ankamaroan’ny Jiosy tamn’ny andron’i Jesoa dia ny amin’ny hiavian’ny mpanjaka lehibe anankiray izay hahafaka ny fireneny amin’ny fahambaniana ka hahatonga azy ho firenena lehibe indray . Mesia : Ilay voahosotra no iantsoana Azy, noho izy handray fiandrianana sy fahefana ambony .Ho mpanjaka mahery tahaka an’i Davida izy , ka izany no iantsoana azy hoe: « zanak’i Davida » satria avy amin’ny taranak’i Davida no hipoirany . Izany hoe : fanantenana politika no nibahana tao an-tsain’ny ankamaroan’ny Jiosy .Te- hanitsy ny fahadisoam-piheveran’ny Jiosy ny amin’ny Mesia Jesoa , ka izany no nanaovany ity fampianarana ity. Ny Soratra Masina izay nentin’i Jesoa nanorenana ny fampianarany dia ninoan’ny Jiosy fa nosoratan’ i Davida izay iantsoan’i Davida ny Mesia hoe : « Tompoko » (and36 / Sal 110.1) . Tsy mba fanaon’ny olona ,hoy izy ny miantso ny zanany ho tompony (and36)
2-Tsy amin’ny maha- taranaka ara-nofo no maha- Mesia Azy
Ny fanontaniana aterak’ity famîanaran’i Jesoa ity dia izao mety ve ny iantsoana an’i Jesoa hoe : « zanak’i Davida » . Ilay jamba mpangataka teo am-bavahadin’i Jeriko dia niantso Azy tamin’izany anarana izany .Paoly dia nimaza fa avy amin’ny taranak’i Davida araka ny nofo i Jesoa , nefa tsy miankina velively amin’izany ny voninahitry maha- Mesia Azy , fa noho Izy Tompo natsangana sy nasandratra (Rom 1.4 ).Tsy mba Mesia mpanjaka ara-politika Izy ,tsy avy amin’izao tontolo izao ny fanjakany . Mesia izay tsy maintsy hijaly Izy ka ho faty , ary hitsangana amin’ny maty .Jesoa voahombo teo amin’ny hazo fijaliana amin’ny maty . Jesoa voahombo teo amin’ny hazo fijaliana sady nitsangana tamin’ny mafy . Izy no Mesia
Fanontaniana:
Inona no antenainao amin’i Jesoa Mesia?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM