Jesoa Mesia ho an’izao tontolo izao

Mofonaina anio: Alarobia, faha 02 Desambra 2020

JAONA 4.16-24

JAONA 4.16-24
16 Hoy Jesosy taminy: Andeha ary, antsoy ivadinao, ka mankanesa at? . 17 Ravehivavy namaly ka nanao taminy hoe: Tsy manam-bady aho. Hoy Jesosy taminy: Marina ihany izay nolazainao hoe: Tsy manam-bady aho; 18 fa efa nanam-bady indimy ianao, sady tsy vadinao ilay itoeranao ankehitriny; marina izany voalazanao izany. 19 Hoy ravehivavy taminy: Tompoko, hitako fa mpaminany Hianao. 20 Ny razantsika nivavaka teto amin'ity tendrombohitra ity; fa ianareo kosa milaza fa any Jerosalema no tokony hivavahana. 21 Hoy Jesosy taminy: Ravehivavy, minoa Ahy, fa avy ny andro ka tsy amin'ity tendrombohitra ity, na any Jerosalema aza, no hivavahanareo amin'ny Ray. 22 Hianareo mivavaka amin'izay tsy fantatrareo; izahay kosa mivavaka amin'izay fantatray, satria avy amin'ny Jiosy ny famonjena. 23 Fa avy ny andro*, sady tonga ankehitriny, raha ny tena mpivavaka hivavaka amin'ny Ray amin'ny fanahy sy ny fahamarinana; fa ny Ray koa mitady ny mpivavaka aminy ho tahaka izany. [*Gr. ora] 24 Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin'ny fanahy sy ny fahamarinana.

Jesoa Mesia ho an’izao tontolo izao

Resaka nifanaovan’i Jesoa tamin’ny vehivavy Samaritana no hita eto fa Mesia Izy ka :

1-Mahalala ny marina rehetra

Rehefa nandroso ny fifampiresahana eto dia niezaka nanafina ny marina momba ny tokantranony ilay vehivavy Samaritana ka nilaza hoe : « tsy manambady aho » . Natsikafon’i Jesoa tanteraka anefa ny marina ka na ny lasa na ny ankehitriny , eny fa na ny ho avy aza dia nambarany avokoa . Tsy misy miafina amin’i Jesoa Kristy tokoa ny marina retra momba ny fiainantsika . Koa aza afenina Azy , aza mihatsaravelatsihy eo anatrehany fandrao ho fahafahambaraka ho antsika no haterak’izany amin’ny fotoana hanehoan’i Jesoa izay nafenina rehetra  » fa tsy misy takona izay tsy ho hita na miafina izay tsy haseho  » , hoy ny Soratra Masina (Mar 4.22)

2-Manafaka amin’ny tsy fahalalana

Tsy nahalala an’i Jesoa ho ny Mesian’Andriamanitra ity vehivavy iray teto ity . Vokatr’izao fifampiresahana izao anefa dia nisy tsirim-pahalalana teraka tao anatiny ka nahatonga azy nandao ny sininy teo am-patsakana sy niantso ny mpiara-monina taminy mba hizaha an’i Jesoa . Mbola feno fisalasalana ihany anefa ity vehivavy ity manoloana ilay fahalalana vaovao izay nitondran’i Jesoa azy , ka nitandrina fatratra na dia ny amin’ny teny nolazainy aza « izao angaha no Kristy? » (Jao 4.29) . Ny tsy fahalalana dia mitarika antsika hisalasala na hatahotra ka hanaotao foana mihitsy aza . I Jesoa Kristy no manafaka antsika amin’izany . Koa henoy ny Teniny dia minoa izay lazainy « koa raha ny zanaka no hanafaka anareo dia ho afaka tokoa ianareo » (Jao 8.36)

Fanontaniana :

Inona no zavatra nangeja ka efa nanafahan’i Jesoa anao?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM