Jesoa mampahiratra sy mampiray amin’ny mpino
Mofonaina anio: Alahady, faha 14 Aprily 2024
Jaona 20. 11-18
Jaona 20. 11-18
11 Fa Maria nijanona nitomany teo ivelan'ny fasana; ary raha nitomany izy, dia niondrika nitsirika ny tao am-pasana 12 ka nahita anjely roa nitafy lamba fotsy nipetraka teo, ny anankiray teo an-doha tamin'ilay nandrian'ny fatin'i Jesosy, ary ny anankiray teo an-tongotra. 13 Ary hoy ireo taminy: Ravehivavy, nahoana ianao no mitomany? Dia hoy izy taminy: Satria nalain'olona ny Tompoko, ka tsy fantatro izay nametrahany Azy. 14 Rehefa nilaza izany izy, dia nitodika ka nahita an'i Jesosy nitsangana teo, nefa tsy fantany ho Jesosy. 15 Hoy Jesosy taminy: Ravehivavy, nahoana ianao no mitomany? iza no tadiavinao? Nataony fa mpiandry saha Izy, ka hoy izy taminy: Tompoko, raha Hianao no naka Azy teto, lazao amiko izay nametrahanao Azy, ary izaho dia haka Azy. 16 Hoy Jesosy taminy: Ry Maria! Dia nitodika izy ka niteny taminy nanao teny Hebreo hoe: Rabôny! izany hoe: Mpampianatra ô. 17 Hoy Jesosy taminy: Aza manendry Ahy; fa tsy mbola niakatra tany amin'ny Ray Aho; fa mandehana mankany amin'ny rahalahiko, ka lazao aminy hoe: Miakatra ho any amin'ny Raiko sy ny Rainareo Aho, ary ho any amin'Andriamanitro sy Andriamanitrareo. 18 Dia tonga Maria Magdalena ka nilaza tamin'ny mpianatra hoe: Efa nahita ny Tompo aho, sady izany teny izany no nolazainy taminy.Nankany am-pasana vao maraina i Maria Magdalena; nitomany satria tsy nahita ny fatin’i Jesoa. Nisy naka ny Tompoko (and 13). Rehefa nitodika anefa izy nahita an’i Jesoa nitsangana niantso hoe: « Ry Maria! » (and 16); ny feon’i Jesoa dia nanala an’i Maria tao amin’ny fahajambana ara-panahy, ka nahalalany indray fa Jesoa no teo. Jesoa dia manazava ny mpino ka manokatra ny masom-panahy mba ahalalan’ny mpino fa efa nitsangana tamin’ny maty izy. Resiny ny fahafatesana.
2. Maneho ny firaisany amin’ny Mpino
Rehefa avy nampahiratra ny masom-panahin’i Maria Jesoa dia nanome toromarika azy mba ho any amin’ny rahalahiny. Eto Jesoa dia mampiasa voambolana maro entiny hanehoana ny maha akaiky ny mpianatra azy: fiombonan’aina, fifankatiavana, Finoana) fiombonana, antsoin’ i Jesoa mihitsy hoe « rahalahiko » (and 17). eo ihany koa ny hoe « raiko sy rainareo, Andriamanitro sy Andriamanitrareo ». Iray izy ireo matoa mpirahalahy, iray ny Andriamanitra ivavahany dia ilay Rain’i Jesoa Kristy. I Maria no nataon’i Jesoa fitaovana hitondra ny Vaovao Mahafaly, ary ny rahalahiny izay akaiky Azy no niantefan’izany voalohany. Manazava ny mpino ka maneho fa tena tiany, ary te hiombom-piainana aminy.
Fanontaniana:
Inona avy no efa nohazavain’i Jesoa teo amin’ny fiainanao?
Sampana Sekoly Alahady Foibe