Jesoa Kristy Tompon’ny fahefana
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 10 Martsa 2025
Apokalipsy 5. 13b - FFPM 171 - Vavaka - FFPM 790
Apokalypsy 2,12 - 17
12 [Pergamosy] Ary soraty ho amin'ny anjelin'ny fiangonana* any Pergamosy: Izao no lazain'ilay manana ny sabatra roa lela maranitra: [* Gr. eklesia] 13 Fantatro izay onenanao, dia ao amin'ny itoeran'ny seza fiandrianan'i Satana; ary mitàna mafy ny anarako ianao ka tsy nandà ny finoana Ahy, na dia tamin'ny andron'i Antipasy martiorako aza, izay lehilahy nahatoky Ahy, dia ilay novonoina teo aminareo, teo amin'izay onenan'i Satana. 14 Kanefa manan-teny kely aminao Aho, fa misy eo aminao izay mitàna ny fampianaran'i Balama, ilay nanome fo an'i Balaka hanisy fahatafintohinana teo anoloan'ny Zanak'isiraely, hihinana hena naterina tamin'ny sampy sy hijangajanga. 15 Ary toy izany koa, misy eo aminao izay mitàna ny fampianaran'ny Nikolaita tahaka ny an'ireny. 16 Koa dia mibebaha; fa raha tsy izany, dia ho avy aminao faingana Aho ka hamely ireo amin'ny sabatry ny vavako. 17 Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny fiangonana*. Izay maharesy dia homeko mana miafina sady homeko vato fotsy, ary eo amin'ny vato dia misy anaram-baovao voasoratra, izay tsy fantatr'olona afa-tsy izay mandray azy ihany. [* Gr. eklesia]Jesoa Kristy Tompon’ny fahefana
1. Mahafantatra ny ataon’ny olona
«Fantatro izay onenanao, dia ao amin’ny itoeran’ny seza fiandrianan’i Satana… » (And. 13)
Ny Fiangonana tany Pergamosy dia nisedra fanenjehana mafy tamin’izany. Tsy nihemotra tamin’ny finoana anefa izy ireo fa nijoro ho vavolombelon’i Kristy hatrany. Ny nanahirana anefa dia nanaiky ny fanompoan-tsampy izy ireo. Ary izany no antony ilazan’i Jesoa Kristy azy ireo fa mipetraka amin’ny fitoeran’i satana. Araka izany, ny olona mampifangaro ny finoana an’i Kristy ny fombafomba miendrika fanompoan-tsampy dia lazain’i Jesoa Kristy fa hitany sady mbola mitoetra amin’ny fitoeran’i Satana izany olona izany ka tokony hiala amin’izany.
2. Mananatra ny olona
« Koa dia mibebaha; fa raha tsy izany, dia ho avy aminao faingana Aho ka hamely ireo amin’ny sabatry… » (And.16)
Ny anarana hoe « Ilay manana sabatra roa lela » no ilazana an’i Jesoa Kristy eto, izay entina maneho ny herin’ny teniny. Ary manamafy izany ny voalaza eto fa « hamely ireo amin’ny sabatry ny vavany ». Ny tenin’i Jesoa Kristy no hitsarany ny olona izay tsy mety mibebaka hiala amin’ny fitoeran’i Satana. Ka ho anao izay manana ny finoana an’i Jesoa Kristy kanefa mbola mitoky amin’ny sampy, dia mibebaha faingana. Fa raha tsy mibebaka ianao, día hihatra aminao ny herin’ny fitsaran’ny tenin’i Kristy. Jesoa Kristy irery ihany no aoka hanorenana ny finoana ary hanohitra ireo fampianarana hafa.
Fanontaniana
Inona ny sampy mbola manalingelina ny finoana an’i Kristy?
Sampana Sekoly Alahady Foibe