Jesoa Kristy no Tompo

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 26 Aogositra 2024

Asan'ny apostoly 3.9-16

Asan'ny apostoly 3.9-16
9 Ary ny vahoaka rehetra nahita azy mitsangantsangana sy midera an'Andriamanitra. 10 Ary fantany tsara fa io no ilay nipetraka teo amin'ny vavahady Itsaraendrika eo amin'ny tempoly mba hiantrana; dia gaga sady talanjona ny olona noho izay tonga tamin-dralehilahy. 11 Ary raha nihazona an'i Petera sy Jaona izy, dia niara-nirohitra ny olona rehetra ho eo amin'izy telo lahy teo amin'ny fialofana izay atao hoe Fialofan'i Solomona, ka talanjona. 12 Ary Petera, nony nahita, dia namaly ny vahoaka hoe: Ry lehilahy Isiraely, nahoana no talanjona amin'izany ianareo? Ary nahoana no mandinika anay ianareo, toa herinay na fahamasinanay no nanaovanay azy ho afa-mandeha? 13 Andriamanitr'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba, Andriamanitry ny razantsika, no nanome voninahitra an'i Jesosy Mpanompony*, Izay natolotrareo sy nolavinareo teo anatrehan'i Pilato, rehefa nokasainy halefa. [* Na: Zanany] 14 Fa ianareo nandà Ilay Masina sy Marina, ary mpamono olona no nangatahinareo halefa ho anareo; 15 fa ny Tompon'ny aina kosa no novonoinareo; fa Izy natsangan'Andriamanitra tamin'ny maty, ary vavolombelon'izany izahay. 16 Ary ny anarany no nampahatanjaka io lehilahy hitanareo sy fantatrareo io noho ny finoana ny anarany; eny, ny finoana izay azo amin'ny alalany no nahazoany izao fahasitranana tsara eto imasonareo rehetra izao.

Jesoa Kristy no Tompo

1- Novonoin’ny olona i Jesoa Kristy

Raha araka ny fandaminan’Andriamanitra sy ny fitiavany ny olombelona ary koa mba ho famonjena ny olona mpanota, dia nafoin’Andriamanitra i Jesoa Kristy ho faty hisolo voina ny mpanota ary ho fanatitra ankasitrahan’Andriamanitra teo amin’ny hazo fijaliana mba hananan’izay mino Azy fiainana mandrakizay (jereo Jao 3. 16; Heb 9. 22). Ankilan’izay anefa, ny fihetsiky ny olona dia tena manohitra izany drafi-pamonjen’ Andriamanitra izany ka indro nanao izay hahafaty an’i Jesoa Kristy ny olona, araka ny hita eto (and 13 14). Izany no hilazana fa novonoin’ny olona indrindra i Jesoa Kristy.

2- Novelomin’Andriamanitra kosa anefa Izy.

Tsy nijanona teo anefa ny zava-nitranga satria araka ny tohin’ny toe-javatra dia nasehon’ Andriamanitra tamin’ny alalan’ny fitsanganan’i Jesoa Kristy ho velona indray fa manana hery sy fahefana handresy ny fahafatesana Izy. Asehon’i Petera amin’ireto olona manatrika azy àry fa afaka mamelona ny maty io Andriamanitra io. Araka ny voalazan’ny tantara koa dia mbola aely mandraka ankehitriny izany tsy finoana ny fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty izany (jereo Mat 28. 15). Koa minoa ianao fa aza mba ho isan’izay tsy mino.

3- Manan-kery sy fahefana mamelona ny maty ny Tompo

Raha ny hevitra sy ny fahefan’ny olona dia tsy misy na inona na inona azo atao intsony amin’ity lehilahy izay malemy tongotra ity fa dia napetraka mba hangataka fiantrana amin’izay mandalo sisa no azo atao aminy. Amin’ny olona izany dia tahaka ny efa maty ny tongony ka tsy afa-hitsangana mandrakizay intsony izy. Hita eto anefa araka fisehoan-javatra fa diso izany lojikan’ny olona izany satria afaka manangana ny maty Andriamanitra.

Fanontaniana:

Misy afaka handresy ny fahafatesana ve?

Sampana Sekoly Alahady Foibe