Jesoa Kristy no Mpisoronabe ho antsika

Mofonaina anio: Alahady, faha 05 Janoary 2025

Sal 89. 1,2/ Hira 7/ Vavaka/ Mofonaina/ Vavaka/ Hira 501.1.4

Hebreo 8.1-6
1 [Fampitahana ny fanompoam-pivavahana tao amin'ny tabernakely araka ny lalàn'i Mosesy sy ny any an-danitra] Ary amin'izany zavatra lazainay izany dia izao no fotony: Manana Mpisoronabe toy izany isika, dia Ilay efa mipetraka eo amin'ny ankavanan'ny seza fiandrianan'ny Avo Indrindra any an-danitra, 2 Mpanao fanompoam-pivavahana ao amin'ny fitoerana masina sy ny tena tabernakely, izay naorin'ny Tompo, fa tsy olona. 3 Fa ny mpisoronabe rehetra dia tendrena hanatitra fanomezana sy fanatitra; ary amin'izany dia tsy maintsy mba manan-katerina koa Izy. 4 Koa raha et? ambonin'ny tany dia tsy mba ho mpisorona akory Izy, satria misy rahateo ireo manatitra ny fanomezana araka ny lalàna, 5 dia ireo manao fanompoam-pivavahana amin'izay endrika sy aloky ny zavatra any an-danitra, tahaka ny natoron'Andriamanitra an'i Mosesy, rehefa hanao ny tabernakely izy; fa hoy Izy: "Tandremo mba hataonao araka ny endrika izay naseho taminao tao an-tendrombohitra ny zavatra rehetra" (Eks. 25.40). 6 Fa ankehitriny efa mahazo fanompoam-pivavahana tsara noho ny an'ireny Izy, dia araka ny nanaovana Azy ho Mpanalalana amin'ny fanekena tsara lavitra, izay natao tamin'ny teny fikasana tsara lavitra.

Jesoa Kristy no Mpisoronabe ho antsika

1- Mipetraka any amin’ny Avo Indrindra Izy.

Ara-tantara, teo amin’ny Jiosy dia ny mpisoronabe no lehiben’ny mpisorona, mpitarika ny fanompoam-pivavahana. Ambaran’ny mpanoratra ny Epistily eto fa Jesoa Kristy no tena « Mpisoronabe lehibe » ho antsika Kristiana. Tsy tahaka ny mpisoronaben’ny Jiosy fa lehibe noho izy. Tsy mba nanana ota Izy; ny tenany no nateriny indray mandeha monja ka nataony ho fanatitra ho an’Andriamanitra mba ho fanavotana ho antsika. Ny fanoloran-tena nataon’i Jesoa dia fanompoam-pivavahana tsara lavitra mihoatra noho izay nataon’ny mpisoronaben’ny Jiosy. Vitany teo amin’ny hazo fijaliana ny asa nanirahan’ny Ray Azy, ka efa nasandratra Izy, ary mipetraka eo amin’ny toerana masina indrindra, dia eo amin’ny seza fiandrianana ankavanan’ Andriamanitra Avo indrindra.

2- Izy no mpanalalana antsika amin’Andriamanitra.

Ny mpanalalana no manao ny raharaha fampihavanana mba hahalavorary ny fanekena atao. Antsoina hoe Mpanalalana i Jesoa Kristy satria Izy no nahavita sy nahatanteraka izay nokendren’ Andriamanitra tamin’ny Fanekena Vaovao izay naorin’ Andriamanitra. Izy no hatonina mba hahazoan’ny olona fanavotana tanteraka, dia ny famelan-keloka. Lazaina eto fa « tsara lavitra » ny Fanekena Vaovao izay nataon’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy (and.6), satria ny fanekena taloha dia tsy tanteraka satria niorina tamin’ny lalàna, ary tsy nahafaka ny olona tamin’ny fahotany fa vao mainka nampiharihary ny maha mpanota ny olona. Jesoa Kristy kosa no mahafaka amin’ny fahotana ka nahatonga antsika ho vita fihavanana amin’Andriamanitra.

Fanontaniana:

Ahoana no ahazoanao antoka fa voavela heloka ianao?

Sampana Sekoly Alahady Foibe