Jesoa Kristy nampihavana antsika
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 14 Oktobra 2024
Efesiana 2. 11-18
Efesiana 2. 11-18
11 [Ny famindram-pon'Andriamanitra amin'ny jentilisa amin'ny andraisany azy ho ao amin'ny fiangonana] Koa tsarovy fa fahiny ianareo izay jentilisa araka ny nofo, ka nolazain'ny voaforan-tanana teo amin'ny nofo hoe tsy voafora - 12 eny, tsarovy fa tamin'izany andro izany dia tsy nanana an'i Kristy ianareo, fa olon-ko azy tamin'ny fanjakan'ny Isiraely ary vahiny tamin'ireo faneken'ny teny fikasana, dia tsy nanana fanantenana sady tsy nanana an'Andriamanitra teo amin'izao tontolo izao; 13 fa ankehitriny kosa, ao amin'i Kristy Jesosy, ianareo izay lavitra fahiny dia efa nampanakeken'ny ran'i Kristy. 14 Fa Izy no fihavanantsika, Izay nahiray antsika roa tonta ka nandrava ny efitry ny fisarahana, 15 fa tao amin'ny nofony no nandravany ny fandrafiana, dia ny lalàna nisy didy natao hotandremana, mba hanakambanany antsika roa tonta ao amin'ny tenany ho olom-baovao iray, ka hanaovany fihavanana, 16 ary hampihavana antsika roa tonta ho tena iray amin'Andriamanitra noho ny hazo fijaliana, izay namonoany ny fandrafiana. 17 Ary tonga Izy ka nitory teny soa mahafaly milaza fihavanana* taminareo izay lavitra ary fihavanana* tamin'izay akaiky koa. *[ Na: fiadanana; izahao Isa. 57.19] 18 Fa Izy no ananantsika roa tonta fanatonana amin'ny Fanahy iray ho any amin'ny Ray.Jesoa Kristy nampihavana antsika
1. Nandrava ny efitry ny fisarahana
…mba hanakambanany antsika roa tónta ao amin’ny tenany ho olom-baovao iray, ka hanaovany fihavanana» (And. 15) « Ny fikasan Andriamanitra hampiombona ny olombelona rehetra amin’ny alalan’ny famonjena dia tanteraka tao amin’i Jesoa Kristy, fa tsy tamin’ny lalana. Taloha no nisy fanavahana ny vahoaka Jiosy sy ny Jentilisa. Ankehitriny kosa, efa nampihavanina tamin’ny alalan’ny finoana an’i Kristy. Sady nampihavana antsika tamin’Andriamanitra Izy no nampihavana antsika samy olombelona. Noho izany, efa olom- boavonjy isika ka tokony hiaina ny famonjena efa noraisintsika tamin’i Jesoa Kristy. Tokony ho tsara fihavanana amin’Andriamanitra sy amin’ny namantsika isika. Koa iaino ny fampihavanana nataon’i Jesoa Kristy.
2. Nitory filazantsara tamintsika
<< Ary tonga Izy ka nitory teny soa mahafaly milaza fihavanana taminareo izay lavitra… >>> (And.17) Raha tonga tety amin’izao. tontolo izao i Jesoa Kristy, dia nanambara ny Vaovao Mahafaly tamin’ny olona rehetra, na tamin’ny Jiosy na tamin’ny Jentilisa. Ka ny olona rehetra nino ny tenín’i Jesoa Kristy no afaka manatona an’Andriamanitra Ray. Ny asan’ny Fanahy Masina mandresy lahatra ny olona no mahatonga izany olona izany hanatona an’Andriamanitra Ray. Ka ny olona izay nino ny tenin’i Jesoa Kristy no nandray ny fampihavanana natao, na Jiosy na Jentilisa. Natao ho an’ny olona rehetra ny fampihavanana nataon’i Kristy. Koa minoa ny tenin’i Kristy fa fampihavanana amin’ny Ray izany.
Fanontaniana
Ahoana ny iainanao ny fampihavanana vitan’i Kristy?
Sampana Sekoly Alahady Foibe