Jesoa Kristy, mpisorona ho antsika.

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 24 Aogositra 2024

Hebreo 10.1-18

Hebreo 10.1-18
1 Fa ny lalàna, izay misy aloky ny zava-tsoa ho avy, fa tsy ny tena endrik'izany zavatra izany, dia tsy mba mahatanteraka ny olona manatona amin'izay fanatitra ateriny mandrakariva isan-taona. 2 Raha izany, dia tsy ho nitsahatra va ny nanaterany ireo, satria rehefa nodiovina indray mandeha ny mpivavaka, dia tsy ho nasian'ny fieritreretany ny ota intsony izy? 3 Fa amin'ireo dia misy fahatsiarovana ny ota isan-taona. 4 Fa tsy mahaisotra ny ota ny ran'ombilahy sy ny ran'osilahy. 5 Koa nony niditra tamin'izao fiainana izao Izy, dia nanao hoe: "Ny fanatitra alatsa-drà sy ny fanatitra hohanina tsy mba nilainao, Fa tena no namboarinao ho Ahy; 6 Ny fanatitra odorana sy ny fanatitra noho ny ota tsy sitrakao; 7 Dia hoy Izaho: Inty Aho tonga - Ao amin'ny horonam-boky no nanoratana Ahy -Hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô". (Sal. 40.6-8). 8 Rehefa nolazainy teo hoe: "Ny fanatitra alatsa-drà sy ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra odorana ary ny fanatitra noho ny ota" (dia ireny aterina araka ny lalàna) "no tsy ilainao ary tsy sitrakao", 9 dia hoy indray Izy: "Inty Aho tonga hanao ny sitraponao." Manaisotra ny voalohany Izy mba hampitoerany ny faharoa. 10 Amin'izany sitrapo izany no nanamasinana antsika tamin'ny nanaterana ny tenan'i Jesosy Kristy indray mandeha. 11 Ary ny mpisorona rehetra dia mitsangana isan'andro manao fanompoam-pivavahana sy manatitra ireny fanatitra ireny ihany matetika izay tsy mahaisotra ny ota; 12 fa Izy kosa, rehefa nanao fanatitra iray monja ho mandrakizay noho ny ota, dia efa mipetraka* eo an-tanana ankavanan'Andriamanitra, [* Na: noho ny ota, dia efa mipetraka mandrakizay] 13 ka hatramin'izao dia miandry Izy mandra-panaony ny fahavalony ho fitoeran-tongony. 14 Fa ny fanatitra iray ihany no efa nahatanterahany ho mandrakizay izay olona hamasinina. 15 Ary ny Fanahy Masina koa manambara izany amintsika; fa rehefa voalazany hoe: 16 "Izao no fanekena hataoko aminy, Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Hataoko ao am-pony ny lalàko, Sady hosoratako ao an-tsainy," 17 dia hoy koa Izy: "Ny fahotany sy ny helony tsy hotsarovako intsony" (Jer. 31.33, 34). 18 Ary rehefa misy famelana ireo, dia tsy misy fanatitra noho ny ota intsony.

Jesoa Kristy, mpisorona ho antsika.

1- Aloky ny zavatra ho avy ny voalazan’ny lalana

Ambony tamin’ny fivavahana jiosy fanaovam-panavotana ho an’ny mpanota, ary izany dia nataon’ny mpisorona indray mandeha isan- taona araka ny fandaminana sy izay voalazan’ny lalana. Mariho tsara anefa fa na dia indray mandeha isan-taona aza ny fanaovana izany dia tena miverimberina ilay fanaovana asa fisoronana. Satria isan-taona dia misy foana. Izany fiverimberenana izany dia tena mitaona ny olona hanota mandrakariva, satria lasa milafika ao an-tsain’ny olona hoe misy fanaovam-panavotana isan-taona amin’ny fotoana fanatanterahana izany; koa tsy maninona raha manota aza. Ambaran’ny mpanoratra ny bokin’ny Hebreo nefa eto hoe aloky ny zavatra ho avy ihany ny zavatra notanterahina ho an’ny olona tamin’ny alalan’izany asa fisoronana izany, satria tsy azo ianteherana mihitsy mba hahafa- pahotana. Izany no mahatonga ny hoe: « Ny fanatitra alatsa-drà sy ny fanatitra hohanina tsy mba nilainao, ny fanatitra dorana sy ny fanatitra noho ny ota tsy sitrakao » (jereo I Sam 15. 22)

2- Jesoa Kristy no fanatitra manaisotra fahotana tenteraka

Ny asa fisoronana nataon’i Jesoa Kristy kosa dia nahatanteraka ny sitrapon’ Andriamanitra, ary tsy mila averimberina intsony izany tahaka ny teo aloha fa indray mandeha ihany araka ny ambara eto hoe « Inty Aho tonga hanao ny sitraponao ». Araka izany dia tsy ilaina intsony ny manao fanatitra hafa heverin’ny olona hoe manaisotra ota fa ny fandraisana sy ny finoana an’i Jesoa Kristy no hany takiana amin’izay mitady famelan-keloka sy maniry hanana fiainam-baovao. Zava-poana ny fanaovana fanatitra samihafa indray eo amin’ny fiaraha-monina satria tsy mahaisotra ota ny ràn’ombalahy sy ny ran’osilahy.

Fanontaniana:

Mbola misy ve ny fanatitra hafa ankehitriny?

Sampana Sekoly Alahady Foibe