Jesoa Kristy Mpanjaka sy Mpitsara
Mofonaina anio: Zoma, faha 07 Oktobra 2022
MATIO 25.31-46
31 Ary raha tonga ny Zanak'olona amin'ny voninahiny, arahin'ny anjely rehetra, dia hipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianan'ny voninahiny Izy; 32 ary ny firenena rehetra hangonina eo anatrehany, dia hanavaka azy, tahaka ny mpiandry ondry manavaka ny ondry amin'ny osy*;[*Gr: zanak'osy] 33 ary hametraka ny ondry eo amin'ny ankavanany Izy, fa ny osy* eo amin'ny ankaviany. 34 Ary amin'izany ny Mpanjaka dia hilaza amin'izay eo amin'ny ankavanany hoe: Avia ianareo izay notahin'ny Raiko, mandovà ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nanorenana izao tontolo izao; 35 fa noana Aho, dia nomenareo hanina; nangetaheta Aho dia nampisotroinareo; nivahiny Aho, dia nampiantranoinareo; 36 tsy nanan-kitafy Aho, dia notafianareo; narary Aho, dia notsaboinareo; tao an-tranomaizina Aho, dia novangianareo. 37 Ary dia hamaly Azy ny marina ka hanao hoe: Tompoko, oviana no hitanay noana Hianao ka nomenay hanina, na nangetaheta ka nampisotroinay? 38 Ary oviana no hitanay nivahiny Hianao ka nampiantranoinay, na tsy nanan-kitafy ka notafianay? 39 Ary oviana no hitanay narary Hianao, na tao an-tranomaizina, ka novangianay? 40 Dia hamaly ny Mpanjaka ka hanao aminy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Araka izay efa nataonareo tamin'ny anankiray amin'ireto rahalahiko kely indrindra ireto no nataonareo tamiko. 41 Ary dia hilaza indray amin'izay eo amin'ny ankaviany kosa Izy hoe: Mialà amiko, ianareo izay voaozona, ho any amin'ny afo maharitra mandrakizay, izay voavoatra ho an'ny devoly sy ny anjeliny; 42 fa noana Aho, fa tsy mba nomenareo hanina; nangetaheta Aho, fa tsy mba nampisotroinareo; 43 nivahiny Aho, fa tsy mba nampiantranoinareo; tsy nanan-kitafy Aho, fa tsy mba notafianareo; narary sy tao an-tranomaizina Aho, fa tsy mba novangianareo. 44 Ary dia hamaly kosa ireo hoe: Tompoko, oviana no hitanay noana Hianao, na nangetaheta, na nivahiny, na tsy nanan-kitafy, na narary, na tao an-tranomaizina, ka tsy mba nanompo Anao izahay? 45 Fa hamaly azy Izy ka hanao hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Araka izay tsy nataonareo tamin'ny anankiray amin'ireto kely indrindra ireto no tsy mba nataonareo tamiko. 46 Ary ireo dia hiala ho any amin'ny fampijaliana mandrakizay; fa ny marina ho any amin'ny fiainana mandrakizay.Jesoa Kristy Mpanjaka sy Mpitsara
1-Mamory ny olona rehetra
« ary ny firenena rehetra hangonina eo anatrehany « (and32) . Jesoa Kristy eo amin’ny seza fiandrianany , Ilay Tompo sy Mpanjaka manangona ny firenena rehetra ho eo anatrehany amin’ny andro farany .Jesoa Kristy mamory ny velona sy ny maty hiatrika ny fitsarana .Izany dia maneho fa efa voatory manerana izao tontolo izao ny Filazantsara ary eto no hitsarana ny fandraisan’ny tsirairay izany Filazantsara izany .Noho izany , ny olona rehetra izay miaina sy nandalo teto ambonin’ny tany dia tsy maintsy hiatrika ny fitsaran’i Jesoa Kristy ary tokony hiomana amin’izany ny tsirairay .Tsy maintsy ho tonga ny fitsarana velona sy ny maty ataon’i Jesoa Kristy Mpitsara ary tsy maintsy hiatrika izany ny rehetra.Tsy zavatra mandeha ho azy akory ny fiainana ety an-tany fa mbola hisy fitsarana.
2-Manavaka ny marina sy ny meloka
« ...dia hanavaka azy tahaka ny mpiandry ondry manavaka ny ondry amin’ny osy » (and32).Oharin’i Jesoa Kristy Tompo amin’ny ondry ny marina ary osy ny tsy marina izay hiatrika ny fitsarana .Samy manaiky ireo fa i Jesoa Kristy no Tompo.Rehefa tonga ny andro fitsarana dia hanavaka ny marina amin’ny tsy marina i Jesoa Kristy Tompo .Ny marina dia ireo izay nihevitra sy nanampy ireo sahirana ary ny tsy marina kosa dia ireo izay tsy mba nanao izany .Araka izany , sarobidy amin’i Jesoa Kristy ny fanampiana ireo sahirana sy mahantra . Ary lazainy mihitsy fa natao taminy izay natao amin’ireny .Ampio ireo mahantra sy sahirana amin’ny fiainana fa antoka hahafahana mandova ny fiainana mandrakizay izany, satria toy ny natao tamin’i Jesoa Kristy izany .
Fanontaniana:
Inona ny fombaheverinao hanampiana ire mahantra?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM