Jesoa Kristy miova tarehy
Mofonaina anio: Alarobia, faha 24 Janoary 2024
Marka 9. 2-10
Marka 9. 2-10
2 Ary nony afaka henemana, Jesosy dia naka an'i Petera sy Jakoba ary Jaona ka nitondra azy nitokana niakatra ho any an-tendrombohitra avo anankiray; dia niova tarehy teo anatrehany Izy, 3 ary ny fitafiany niova nanelatrelatra sady fotsy indrindra, ka tsy misy mpamotsy lamba ambonin'ny tany mahafotsy toy izany. 4 Ary Elia sy Mosesy niseho taminy ka niresaka tamin'i Jesosy. 5 Ary niteny Petera ka nanao tamin'i Jesosy hoe: Raby ô, tsara raha mitoetra eto isika; ary aoka hanao lay telo izahay: ny anankiray ho Anao, ny anankiray ho an'i Mosesy, ary ny anankiray ho an'i Elia. 6 Fa tsy fantany izay havaliny, satria efa raiki-tahotra izy rehetra. 7 Ary nisy rahona niseho nanarona azy; ary dia nisy feo avy tao amin'ny rahona nanao hoe: Ity no Zanako malalako, Izy no henoy. 8 Ary niaraka tamin'izay, nony nijery manodidina izy ireo, dia tsy nisy hitany intsony na iza na iza afa-tsy Jesosy irery ihany, Izay teo aminy. 9 Ary nony nidina avy teo an-tendrombohitra Izy, dia nandrara azy Jesosy mba tsy hilazalaza amin'olona izay zavatra efa hitany mandra-pitsangan'ny Zanak'olona amin'ny maty. 10 Ary nitana izany teny izany izy ka nifampaka saina ny amin'izay hevitr'izany fitsanganana amin'ny maty izany.Jesoa Kristy miova tarehy
1- Miseho ny maha Andriamanitra Azy
« Dia niova tarehy teo anatrehany Izy… » (and. 2) Ambara eto fa « niova tarehy » i Jesoa Kristy. Any amin’ny filazantsara hafa moa dia voalaza mihitsy fa « ny tavany dia namirapiratra tahaka ny masoandro ». Niseho teo amin’ny tenan’i Jesoa Kristy tonga nofo ny voninahitra nananany mialohan’ny nahatongavany ho olona. Hitan’ny mpianatra ny famirapiratan’ny tena maha Izy Azy an’i Jesoa, na dia tonga olona aza Izy. Midika izany, fa i Jesoa Kristy no hamerina indray ny endrik’ Andriamanitra ao amin’ny olombelona izay very nandritra ny fahalavoana tao amin’ny Saha Edena. Hamerina ny olombelona ho araka izay naharin’Andriamanitra azy i Jesoa Kristy. Ao amin’i Jesoa Kristy irery ihany no ahafahana mamerina indray ny endrik’ Andriamanitra ao amin’ny olombelona.
2- Maneho ny fitohizan’ny fanambarana
« Ary Elia sy Mosesy niseho taminy ka niresaka tamin’i Jesoa. » (and. 4). Ambara eto fa niseho i Elia sy Mosesy, izay midika ho fifampitohizan’ny fanambarana avy amin’ Andriamanitra. Ao amin’ny Fanekena Taloha, Elia sy Mosesy no sarin’ny faminaniana momba ny andro farany. Ka ny fisehoan’i Elia sy Mosesy tamin’i Jesoa Kristy dia midika fa i Jesoa Kristy no manohy izay nambaran’ny Lalàna sy ny Mpaminany. Ka izay rehetra mino ny fanambaran’i Elia sy Mosesy dia tsy maintsy ho mino an’i Jesoa Kristy. Fahadisoan-kevitra ny finoana ny voalazan’ny Lalàna sy mpaminany kanefa tsy mino an’i Jesoa Kristy. Jesoa Kristy no ambara ao amin’ny Lalàna sy ny Mpaminany. Koa minoa an’i Jesoa Kristy.
Fanontaniana
Ahoana ny fiheveranao ny olona mino an’i Jesoa Kristy fa manda ny Fanekena Taloha?
Sampana Sekoly Alahady Foibe