Jesoa Kristy miombona amin’ny olona
Mofonaina anio: Zoma, faha 04 Oktobra 2024
Matio 9.9-17
Matio 9.9-17
9 Ary nony niala teo Jesosy, dia nahita lehilahy atao hoe Matio nipetraka teo am-pamorian-ketra*, ka hoy Izy taminy; Andeha hanaraka Ahy. Dia nitsangana Matio ka nanaraka Azy.[*Dia ny hetra sy ny fadin-tseranana, etc] 10 Ary raha nipetraka nihinana tao an-trano Izy, indreo, nisy mpanota sy mpamory hetra maro tonga ka niara-nipetraka tamin'i Jesosy mbamin'ny mpianany. 11 Ary ny Fariseo, raha nahita izany, dia niteny tamin'ny mpianatra hoe: Nahoana kosa ny Mpampianatra anareo no miara-komana amin'ny mpamory hetra sy ny mpanota? 12 Ary raha nahare izany Jesosy, dia nanao hoe: Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody, fa ny marary. 13 Fa mandehana ka mianara izay hevitry ny teny hoe: Famindram-po no sitrako, fa tsy fanatitra alatsa-drà (Hos 6:6); fa tsy tonga hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota. 14 Dia nankany amin'i Jesosy ny mpianatr'i Jaona ka nanao hoe: Nahoana izahay sy ny Fariseo no mifady hanina matetika, fa ny mpianatrao kosa tsy mba mifady? 15 Ary hoy Jesosy taminy: Moa mahay misaona va ny havan'ny mpampakatra, raha mbola ao aminy ihany ny mpampakatra? fa ho avy ny andro izay hanesorana ny mpampakatra hiala aminy, dia amin'izay vao hifady izy. 16 Ary tsy misy olona manampina lamba tonta amin'ny tapa-damba tsy mbola voalòna; fa ny vaovao izay natampina dia handrovitra ny lamba, ka hitatra ny triatra. 17 Ary tsy misy manisy divay vaovao ao anaty siny hoditra tonta; raha izany, dia ho triatra ny siny hoditra, ka ho raraka ny divay, sady ho simba ny siny hoditra; fa ny siny hoditra vaovao no asian'ny olona divay vaovao, dia miara-maharitra izy roroa.Jesoa Kristy miombona amin’ny olona
1. Mikendry famonjena azy
«Ary raha nahare izany Jesoa, dia nanao hoe: Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody, fa ny marary. » (And. 12) Niara-nihinana tamin’ny mpanota sy ny mpamory hetra i Jesoa Kristy. Olona izay sokajian’ny fiarahamonina ho mpanao ratsy, mpangalatra, mpamadika tanindrazana no miara-mihinana amin’i Jesoa. Miombon’aina amin’ny mpanota i Jesoa mba hahafahany mitondra famonjena ho azy ireo. Araka izany, ny fiarahana amin’ny mpanota sy ny mpanao ratsy dia mikendry famonjena ho azy ireo fa tsy sanatria hanaovana ny ratsy fanaony. Hitaona ny mpanota sy ny mpanao ratsy ho amin’ny fibebahana no antony iombonana amin’izy ireny. Adidin’ny olona izay manana ny filazantsara ny manatona ny mpanota mba hialany amin’ny ratsy fanaony.
2. Mitondra fifaliana ho azy
«Moa mahay misaona va ny havan’ny mpampakatra, raha mbola ao aminy ihany ny mpampakatra? » (And. 15) Ny « Naman’ny mpampakatra » dia ireo tanora izay manaraka ny lehilahy handeha hampaka-bady. Rehefa tonga ao an-trano dia mipetraka manodidina ny mpampakatra ireo tanora lahy ireo. Izany no anoharan’i Jesoa Kristy ny mpianany eto. Tsy mifady hanına ny mpianatra satria manatrika azy ireo i Jesoa Kristy. Ary ny fanatrehan’i Jesoa Kristy dia mitondra fifaliana sady andro fifaliana. Rehefa tsy manatrika kosa anefa i Jesoa, noho ny amin’ny fahoriana sy alahelo, tsy noho ny amin’ny lalana akory, fa mba hanoloran-tena feno amin’ny vavaka dia mifady hanina ny mpianatra.
Fanontaniana
Inona no tsy ahafahanao mitarika ny mpanota amin’i Kristy?
Sampana Sekoly Alahady Foibe