Jesoa Kristy mifidy mpianatra

Mofonaina anio: Alarobia, faha 26 Jolay 2023

LIOKA 6.12-16

LIOKA 6.12-16
12 Ary tamin'izany andro izany dia lasa nankany an-tendrombohitra Jesosy mba hivavaka; ary naharitra nivavaka tamin'Andriamanitra nandritra ny alina Izy. 13 Ary nony maraina ny andro,dia nantsoiny hanatona Azy ny mpianany, ka nifidianany roa ambin'ny folo lahy, izay nataony hoe Apostoly, 14 dia Simona, izay nataony hoe koa Petera, sy Andrea rahalahiny, sy Jakoba sy Jaona sy Filipo sy Bartelemeo 15 sy Matio sy Tomasy sy Jakoba, zanak'i Alfeo, sy Simona, izay atao hoe Zelota, 16 sy Jodasy, zanak'i* Jakoba, ary Jodasy Iskariota, izay tonga namadika. [* Na: rahalahin'i]

Jesoa Kristy mifidy mpianatra

1-Mivavaka

« ary naharitra nivavaka tamin’Andriamanitra nandritra ny alina Izy » (and12) .Nitokana tanyan-tendrombohitra nivavaka nandritry ny alina i Jesoa mialohan’ny hifidianany ny Apostoly . Nametraka ny fifidianana ireo Apostoly tamin’Andriamanitra i Jesoa . Araka izany , rehefa hanao fifidianana dia tsara raha ialohavan’ny vavaka , ary mila maharitra mivavaka ihany koa ho fametrahana izany amin’Andriamanitra indrindra raha hifidy olona izay hanao ny asan’Andriamanitra .Mila mivavaka mialohan’ny hiatrika fifidianana mba tsy ho dio safidy hifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra ny safidy ary indrindra hahatanteraka ny andraikitra nokendren’Andriamanitra azy ny oona voafidy amin’izany .

2-Manome anarana azy

« ...ka nifidianany roa ambin’ny folo lahy izay nataony hoe: Apostoly » (and13). Nanana mpianatra maro nanaraka Azy i Jesoa Kristy : lehilahy, vehivavy, antitra, tanora (Asa 1.21-22). Nifidy Apostoly roa ambin’ny folo tamin’ireo i Jesoa Kristy. Ny hoe : Apostoly dia « iraka », »ambasadaoro » sady ho mpitarika ny fivavahana kristiana. Anarana nomen’i Jesoa Kristy ny mpianatra izany . Mariky ny fananan’i Jesoa fahefana amin’izy ireo izany . Araka izany , ny olom-boafidin’i Jesoa Kristy ho irany dia hananany fahefana .Tsy ny safidin’ny olona voafidy no ataony fa ny sitrapon’ny manana fahefana aminy ,dia i Jesoa .Koa raha manao ny asan’Ansdriamanitra amin’ny maha-olomboafidin’ny Tompo ianao dia maneke koa ny fahefany .

Fanontaniana:

Inona ny fomba hanehoanao ny fanekena ny fahefan’i Kristy ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM