Jesoa Kristy miantso ny mpanota
Mofonaina anio: Alahady, faha 09 Martsa 2025
Lioka 5. 27-35
Lioka 5. 27-35
27 Ary rehefa afaka izany, dia nandeha Jesosy ka nahita mpamory hetra atao hoe Levy, nipetraka teo am-pamorian-ketra*; dia hoy Izy taminy: Manaraha Ahy.[*Izahao Mat. 9,9] 28 Ary nahafoy ny zavatra rehetra izy ka nitsangana, dia nanaraka Azy. 29 Ary Levy nanao fanasana lehibe tao an-tranony ho an'i Jesosy; ary nisy mpamory hetra maro sy olon-kafa koa, izay niara-nipetraka nihinana teo aminy. 30 Fa ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna izay teo aminy dia nimonomonona tamin'ny mpianatr'i Jesosy ka nanao hoe: Nahoana ianareo no miara-mihinana sy misotro amin'ny mpamory hetra sy ny mpanota? 31 Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody, fa ny marary; 32 tsy avy hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota mba hibebaka. 33 Ary hoy izy ireo taminy: Ny mpianatr'i Jaona mifady hanina matetika sy mivavaka, ary ny an'ny Fariseo koa mba tahaka izany ihany, fa ny Anao kosa mihinana sy misotro ihany. 34 Ary hoy Jesosy taminy: Mahay mampifady ny havan'ny mpampakatra va ianareo, raha mbola ao aminy ihany ny mpampakatra? 35 Fa ho avy ny andro; ary rehefa voaisotra* ny mpampakatra hiala aminy, dia amin'izany andro izany vao hifady izy.[*Na: Ny andro izay hanesorana]Jesoa Kristy miantso ny mpanota
1. Hiombon’aina aminy
« tsy avy hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota mba hibebaka. » (And. 32)
Levy dia mpamory hetra nosokajian’ny Jiosy ho ratsy satria maka mihoatra noho izay tokony halainy. Niantso sy niara nisakafo tamin’ny mpamory hetra i Jesoa izay mariky ny fiombonan’aina. Na dia mpanota aza ireo mpamory hetra ireo dia nanaiky niara-nisakafo i Jesoa mba hamonjeny azy ireo. Mikenáry famonjena sy fiombonan’aina ny fiarahan’i Jesoa amin’ny mpanota. Mba hahazoana mitondra famonjena eo amin’ny mpanota dia midina sy miombon’aina aminy. Izany no tokony hataon’ny mpitory filazantsara mba hahazoana mitondra mitaona azy ireny ho ao amin’i Kristy.
2. Hiara-monina aminy
« Mahay mampifady ny havan’ny mpampakatra va ianareo, raha mbola ao aminy ihany ny mpampakatra? » (And. 34)
Fanontaniana ho valin’ny fanontanian’ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna no nataon’i Jesoa Kristy. Nifady hanina matetika ny mpianatr’i Jaona fa ny mpianatr’i Jesoa kosa tsy mba mifady satria mbola teo amin’izy ireo i Jesoa. Ny fanatrehan’i Jesoa ny mpianatra dia midika fifaliana. Satria misy fifaliana dia tsy ilaina ny mifady hanina. Natao amin’ny fotoana izay tsy anatrehan’i Jesoa Kristy antsika mpianatra ny fifadian-kanina, izany hoe rehefa mitranga ny olana, fahasahiranana, ady sarotra dia ilaina ny fifadian-kanina.
Fanontaniana
Inona no antony mahatonga anao hifady hanina?
Sampana Sekoly Alahady Foib