Jesoa Kristy maniraka ny mpianany
Mofonaina anio: Alahady, faha 30 Jolay 2023
Matio 28 16-20
Matio 28,16 - 20
16 Ary ny mpianatra iraika ambin'ny folo lahy dia nankany Galilia, ho any amin'ilay tendrombohitra nasain'i Jesosy halehany. 17 Ary nony nahita Azy izy, dia niankohoka, fa ny sasany niahanahana. 18 Ary Jesosy nanatona dia niteny taminy ka nanao hoe: Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy et? an-tany; 19 koa mandehana ianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina 20 sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo; ary, indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan'ny fahataperan'izao tontolo izao.
Jesoa Kristy maniraka ny mpianany
1- Manome baiko azy hampianatra
«koa mandehana ianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra
(and. 19a)
Iraka sy baiko nomen’i Jesoa Kristy ny mpianany taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty ny hampianatra ny firenena rehetra
Hampianatra ny firenena rehetra hiaina ny finoana an’i Jesoa Kristy ny iraka nampanaovina azy ireo. Ny fiainana ny finoana an’i Jesoa Kristy izay manomboka amin’ny libebahana, mitohy amin’ny fankatoavana ny tenin’i Jesoa Kristy sy ny faharetana amin’izany. Ary izany baikon’i
Jesoa Kristy izany no iorenan’ny asa misiona ataon’ny Fiangonana sy
ny kristiana rehetra ao aminy. Mitaona ny olona rehetra tsy ankanavaka
hino an’i Jesoa Kristy sy hitandrina ny fampianaran’i Jesoa Kristy.
2-Manome baiko hanao Batisa
«manao batisa azy ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina» (and. 19a)
Tsy afa-misaraka ny fanaovana ho mpianatra ny firenena rehetra sy ny
fanaovana Batisa. Ampianarina ny Soratra masina sy ny tenin’ Andriamanitra aloha ny olona izay vao atao Batisa. Ny fanaovana
Batisa dia vavolombelon’ny fandraisan’ny olona ny fampianarana. Tsy maintsy efa nandray ny fampianarana avy amin’ny Soratra Masina aloha ny olona izay vao atao tombokase amin’ny alalan’ny fandraisana ny Sakramentan’ny Batisa. Mariky ny fandraisana ny finoana avy
amin’ny tenin’Andriamanitra ny Batisa. Ary indrindra fanehoana fahavononana hiaina ny famonjen’i Jesoa Kristy izay naseho ho hita maso tamin’ny nandraisana ny Sakramentan’ny Batisa. Fanehoana ny
fandraisana ny famonjen’i Kristy ny Sakramentan’ny Batisa.
Fanontaniana
Ahoana ny fomba iainanao ny famonjen’i Kristy?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM