Jesoa Kristy mandray ny zaza madinika:
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 14 Jolay 2025
(Sal 29. 1-2 / Hira 790 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 452)
Lioka 18. 15-17
15 Ary nisy nitondra zazakely koa ho eo amin'i Jesosy mba hotendreny; fa raha vao nahita izany ny mpianatra, dia nandrara azy. 16 Fa Jesosy niantso ireo hankeo aminy ka nanao hoe: Avelao ny zaza hanatona Ahy, ary aza raràna; fa an'ny toa azy ny fanjakan'Andriamanitra. 17 Lazaiko aminareo marina tokoa: Na zovy na zovy no ny handray ny fanjakan'Andriamanitra tahaka ny zaza, dia tsy ho tafiditra aminy akory.Jesoa Kristy mandray ny zaza madinika:
1- Te-hamonjy azy
« Avelao ny zaza hanatona Ahy, ary aza raràna; fa an’ny toa azy ny fanjakan’Andriamanitra. » (And. 16)
Noraràn’ny mpianatra tsy hanatona an’i Jesoa ny zaza. Nifanohitra tamin’izany kosa ny nataon’i Jesoa: noraisin’i Jesoa ireo zaza ireo mba hahalala Azy sy hanana finoana. Te-hamonjy ny zaza sy hitaona azy ireo ho amin’ny fahatokiana Azy Izy. Araka izany dia tian’i Jesoa Kristy hahalala sy hahafantatra ny Soratra Masina ny zaza, fa tsy tokony hailika na horaràna amin’ny fanatonana an’i Jesoa Kristy. Ka aoka tsy ho ny olona izay heverina ho efa mahalala ny Soratra Masina sy mpianatr’i Kristy indray no lasa sakana amin’ny fanatonan’ny zaza an’i Jesoa Kristy. Ny hitarika azy ireny aza no tokony hatao.
2- Mametraka azy ho modely
«Na zovy na zovy no tsy handray ny fanjakan’Andriamanitra tahaka ny zaza, dia tsy ho tafiditra aminy akory. » (and. 17)
Miakina amin’ny finoana sy ny fiakinana tanteraka amin’ny Tenin’i Jesoa Kristy, izay mariky ny fanatrehany ny fahazoana fiainana mandrakizay. Ka ny fahatokian’ny zaza sy ny finoana tsy misy fetra ao aminy no tokony hianaran’ny olona rehetra. Modely amin’ny fitomboana amin’ny finoana ny zaza ka tokony hianaran’ny olona rehetra, indrindra fa ny olon-dehibe. Noho izany, tsy ny hanilika ny zaza hanatona an’i Jesoa no tokony hataon’ny mpino fa ny hianatra amin’izy ireny kosa finoana sy ny fahatokiana an’i Jesoa, tsy misy fetra sy tsy misy fepetra. Iaino tahaka izay iainan’ny zaza azy ny finoana.
Fanontaniana :
Inona no mahatonga ny Fiangonana manilika ny zaza?
Sampana Sekoly Alahady Foibe