Jesoa Kristy mandrara ny fisaoram-bady
Mofonaina anio: Zoma, faha 06 Oktobra 2023
Matio 5,32 - 32
32 Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Izay rehetra misaotra ny vadiny afa-tsy noho ny fijangajangana ihany dia mampijangajanga azy; ary na zovy na zovy no manambady izay voasaotra, dia mijangajanga.Jesoa Kristy mandrara ny fisaoram-bady
1- Manome fomba fijery vaovao
«Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe …» (and.32).
Araka ny lalàn’i Mosesy, noho ny hamafin’ny fon’ny Zanak’Israely, dia voatery nanome alalana amin’ny fisaraham-panambadiana i Mosesy. Niaina sy nanararaotra izany lalàna izany ny Jiosy tamin’ny andron’i Jesoa Kristy. Raha nisy vehivavy hafa tian’ilay lehilahy kokoa, dia afaka manome taratasy fisaorana ny vadiny izy. Eto kosa anefa dia ahitsin’i Jesoa Kristy izany fomba fijery izany. Manome ny hevitry ny lalàna amin’ny fomba tsy mahazatra ny olona i Jesoa Kristy. Noho izany, mety misy famoahan-kevitry ny Soratra Masina mahazatra, efa niainana nandritra ny taona maro, kanefa maneke ahitsin’i Jesoa Kristy. Betsaka ny famoahan-kevitry ny Soratra Masina ataon’ny olona fa ny an’i Jesoa Kristy irery ihany no marina
2- Mandà fijangajangana
«Izay rehetra misaotra ny vadiny afa-tsy noho ny fijangajangana ihany dia mampijangajanga azy…» (and.32). Eto i Jesoa Kristy tsy milaza fa ny fijangajangana dia ataony ampy hiteraka fisaraham-panambadiana, fa milaza fotsiny Izy fa izay misaotra ny vadiny dia « mampijangajanga azy ». Noho izany, amin’i Jesoa Kristy dia mitarika sy manome vahana ny fijangajangana ny fisaram-panambadiana. Koa aoka tsy ho amin’ny fisaoram-bady ny fisainana. Antony iray ahafahana miaro ny vady tsy ho amin’ny fijangajangana ny tsy fisaoram-bady. Mampitombo ny fakampanahy mitarika ho amin’ny fironana hijangajanga ny fisaram-panambadiana. Raha misy misao-bady dia hanambady indray izy. Amin’izay, na ilay mampakatra na ilay ampiakarina dia samy mijangajanga avokoa. Izany no lavin’i Jesoa Kristy eto.

Fanontaniana
Inona no paikady hisorohana ny fisaraham-panambadiana?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE F.J.K.M.