Jesoa Kristy mamaly ny olona maka fanahy Azy

Mofonaina anio: Alarobia, faha 11 Oktobra 2023

MARKA 10.2-12

MARKA 10.2-12
2 Ary nisy Fariseo nanatona Ary, dia naka fanahy Azy ka nanontany hoe: Mahazo misao-bady va ny lehilahy? 3 Ary Izy namaly ka nanao taminy hoe: Ahoana no nandidian'i Mosesy anareo? 4 Ary hoy izy: Navelan'i Mosesy hanoratra taratasy fisaoram-bady ny lehilahy ka hisao-bady (Deo. 24.1). 5 Fa hoy Jesosy taminy: Ny hamafin'ny fonareo no nanoratany izany didy izany ho anareo; 6 fa hatramin'ny fony vao nanaovana izao tontolo izao dia lahy sy vavy no nanaovany ny olona (Gen. 1.27). 7 Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin'ny vadiny; 8 ary ho nofo iray izy roroa (Gen. 2. 24); ka dia tsy ho roa intsony izy, fa ho nofo iray ihany. 9 Koa izay nakamban'Andriamanitra dia aoka tsy hampisarahin'olona. 10 Ary nony mby tao an-trano, dia nanontany ny amin'izany koa ny mpianatra. 11 Ary hoy izy taminy: Na zovy na zovy no misao-bady ka mampakatra vehivavy hafa, dia mijangajanga ka manala-baraka ny vadiny*.[*Na: mijangajanga mandika ny lalàn'ny fanambadiana ny amin'ny vadiny] 12 Ary raha ravehivavy kosa no misaotra ny lahy ka manambady olon-kafa, dia mijangajanga izy.

Jesoa Kristy mamaly ny olona maka fanahy Azy

1-Mamerina azy amin’ny Soratra masina

« Koa izay nakamban’Andriamanitra dia aoka tsy hampisarahan’olona »(and9) . Fintin’ny hevitry ny Soratra masina roa (Gen 1.27/2 ;24) no nentin’i Jesoa Kristy namaly ny Fariseo izay naka fanahy Azy.Naverin’i Jesoa kristy tamin’ny Soratra masina izay efa fantany ny Fariseo,raha nanazava momba ny fanambadiana Izy.Noho izany ,aoka hiorina amin’ny Soratra masina ny hevitra rehetra entina manazava sy miaina ny fanamabdiana.Andriamanitra no nahary  ny fanambadiana ary ny Soratra masina no anambaran’Andriamanitra fomba fiainana izany fanambadiana izany .Tsy araka ny fahendrena na ny fahaizan’olombelona anefa no entina manazava izany fa izay araka ny fampianaran’i Jesoa Kristy .

2-Manambara ny hevitr’Andriamanitra

« Na zovy na zovy no misao-bady ka mampakatra vehivavy hafa dia mijangajanga…»(and11,12). Rehefa tonga tao an-trano i Jesoa Kristy sy ny mpianatra  dia nanontany ny hevitry ny valitenin’i Jesoa Kristy izy ireo . Tamin’izany  no nanambaran’i Jesoa Kristy  fa ny fisaraham-panambadiana dia midika ho fijangajangana .Naverin’iJesoa Kristy tamin’ny hevitra fototra , hatrany am-piandohana ny fanazavany ,ny fanambadiana izay naorin’Andriazmanitra dia fanambadiana tsy misy  fisarahana satria ny fanambadiana dia fiombonana  aina mandra-pahafaty.Noho izany ,aoka tsy ny olana mitranga  amin’ny fiainana ny hatao no antony hanamafy fisarahana eo amin’ny mpivady .Ny fisian’ny olana aza no tokony  hanamafy ny fiombonana sy ny fifamatorana eo amin’ny mpivady , hiankinany  amin’Andriamanitra dia Ilay Andriamanitra nanorina ny fanambadiana .

 Fanontaniana :

Hevitra avy aiza no hanorenanareo  ny tokantranonareo ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM