Jesoa Kristy irak’ Andriamanitra Ray
Mofonaina anio: Talata, faha 25 Febroary 2020
JAONA 17.6-19
JAONA 17.6-19
6 Nasehoko tamin'ny olona izay nomenao Ahy avy tamin'izao tontolo izao ny anaranao; Anao ireny ka nomenao Ahy; ary notandremany ny teninao. 7 Fantany ankehitriny fa avy taminao izay rehetra efa nomenao Ahy. 8 Fa ny teny izay nomenao Ahy dia nomeko azy kosa, ary noraisiny, ka fantany marina tokoa fa avy taminao Aho; ary nino izy fa Hianao no naniraka Ahy. 9 Izaho mangataka ho azy; tsy mangataka ho an'izao tontolo izao Aho, fa ho an'izay nomenao Ahy, satria Anao izy. 10 Ary izay Ahy rehetra dia Anao; ary izay Anao dia Ahy; ary efa ankalazaina eo aminy Aho. 11 Ary tsy ho eto amin'izao tontolo izao intsony Aho, fa izy ireto no ho eto amin'izao tontolo izao, ary Izaho mankany aminao. Ray masina ô, tehirizo ireo amin'ny anaranao izay nomenao Ahy, mba ho iray ihany izy, tahaka ny mahiray Antsika. 12 Raha mbola teo aminy Aho, dia nitahiry azy tamin'ny anaranao izay nomenao Ahy; ary notandremako izy, ka tsy misy very, afa-tsy ilay zanaky ny fahaverezana ihany; mba hahatanteraka ny Soratra Masina. 13 Fa ankehitriny mankany aminao Aho; ary izany teny izany no lazaiko eto amin'izao tontolo izao, mba hananany ny fifaliako tanteraka ao aminy. 14 Efa nomeko azy ny teninao; ary halan'izao tontolo izao izy, satria tsy naman*'izao tontolo izao, tahaka Ahy tsy naman*'izao tontolo izao. [*Gr. avy amin'] 15 Izaho tsy mangataka aminao mba hampiala azy amin'izao tontolo izao, fa ny mba hiaro azy amin'ny ratsy*. [*Na: amin'ilay ratsy] 16 Tsy naman* izao tontolo izao izy, tahaka Ahy tsy naman*'izao tontolo izao. [*Gr. avy amin'] 17 Manamasina azy amin'ny fahamarinana; ny teninao no fahamarinana. 18 Tahaka ny nanirahanao Ahy ho amin'izao tontolo izao no mba nanirahako azy kosa ho amin'izao tontolo izao. 19 Ary ho an'ireto no anamasinako ny tenako, mba hanamasinan'ny fahamarinanao azy.Jesoa Kristy irak’ Andriamanitra Ray
1-Fantatra amin’ny finoana ny teniny (and8)
Nirahin’Andriamanitra Ray tety an-tany i Jesoa Kristy zanany mba hamonjy izao tontolo izao .Tsy ny olona rehetra anefa no manaiky izany maha-irak ‘Andriamanitra an’i Jesoa Kristy izany. Mandà an’i Jesoa Kristy ny olona mihitsy anefa ny hanaiky fa i Jesoa Kristy no irak’Andriamanitra hamonjy izao tontolo izao raha tsy efa mino ny teny izay nambarany izy . Ary amin’ny alalan’ny finoana ny tenin’i Jesoa ihany no haneken’ny olona fa Izy no Mpamonjy izao tontolo izao . Koa minoa ny tenin’i Jesoa Kristy dia ho resy lahatra amin’ny maha- mpamonjy izao tontolo izao Azy hianao .
2-Mitondra fifaliana avy amin’ny teniny (and 13)
Ny teny izay nataon’i Jesoa Kristy ho an’ny mpianatra teto , dia vavaka mba hahatonga azy ireo hiombom-pifaliana avy amin’izany . Ny sofina mandre ary ny fo mitahiry ny tenin’i Kristy no manana fiononanana sy fifaliana feno satria fantatr’ izany olona izany fa efa nivavaka ho azy ny Tompo . Ary ny fahatsiarovan’ny olona fa efa nivavaka ho azy i Jesoa Kristy no mahatonga azy tsy ho kivy manoloana ireo fahoriana sy zava-tsarotra misy eto amin’iza tontolo izao . Araka izany , izay manana ny teny sy vavaka nataon’i Jesao Kristy no manana fifaliana mandrakariva ao anatiny , na dia misedra olana samihafa aza.
Fanontaniana :
Inona no ataonao sy tsaroanao raha tojo olana?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM