Jesoa Kristy Fahazavana
Mofonaina anio: Zoma, faha 12 Aprily 2024
Asan'ny Apostoly 26. 12-18
Asan'ny Apostoly 26. 12-18
12 Ary tamin'izany, raha nankany Damaskosy aho, nitondra fahefana sy teny izay efa azoko tamin'ny lohan'ny mpisorona, 13 koa nony ilay nitatao-vovonana iny ny andro, ry mpanjaka ô, dia hitako teny an-dalana fa, indro, nisy mazava avy tany an-danitra nanelatrelatra manodidina ahy mbamin'izay niaraka tamiko mihoatra noho ny famirapiratry ny masoandro. 14 Ary rehefa lavo tamin'ny tany izahay rehetra, dia nandre feo nilaza tamiko aho nanao tamin'ny teny Hebreo hoe: Saoly Saoly, nahoana ianao no manenjika Ahy? Zavatra sarotra aminao ny hanipaka ny fanindronana. 15 Dia hoy izaho: Iza moa Hianao, Tompoko? Ary hoy ny Tompo: Izaho no Jesosy Izay enjehinao. 16 Fa mitsangàna, ka mijoroa amin'ny tongotrao; fa izao no nisehoako taminao, dia ny hanendry anao ho mpanompo sy ho vavolombelona ny amin'izay efa nahitanao Ahy* sy izay hisehoako aminao, [*Na: (izay efa hitanao)] 17 hamonjy anao amin'ny olona Isiraely sy ny jentilisa, izay anirahako anao, 18 hampahiratra ny masony hialany amin'ny maizina ho amin'ny mazava, ary amin'ny fahefan'i Satana ho amin'Andriamanitra, mba hahazoany famelan-keloka sy lova eo amin'izay nohamasinina noho ny finoana Ahy.Jesoa Kristy Fahazavana
1-Maneho ny heriny (and 12-14)
Mitantara ny nisehon’i Jesoa tamin’i Paoly, Naniry fatratra ny hanitatra ny fanenjehana ankoatry ny tananan’i Jerosalema i Saoly, ka nangataka alalana sy fahefana hitady ny mpianatra hatrany Damaskosy sy hitondra azy ho gadraina any Jerosalema. Nisehonan’ Andriamanitra teny an-dalana nefa izy (and 13). Ireo famantarana ireo dia anehoan’i Jesoa ny heriny. Maneho ny heriny amin’ny tsy mino ny fahefany toa an’i Paoly fahiny.
2- Mampahafantatra ny tenany
Jesoa no nanao dingana voalohany niresaka tamin’i Paoly, ilay fatra-panenjika ny Fiangonana. Tia ny olona rehetra i Jesoa ary ny tsy mahafantatra Azy indrindra no hanehoany ny heriny mba hinoany fa misy Izy. Te hamonjy ny olona rehetra i Jesoa, ka mampahafantatra ny tenany Izy mba hahafahan’izao tontolo izao mino sy manaiky fa izy irery ihany no « lalana sy fahamarinana ary fiainana ». (Jao 14.6).
3- Manome asa fanompoana (and 16-18)
Jesoa dia nanendry an’i Paoly ho vavolombelony (and 16), ny amin’izay efa nataony taminy. Jesoa rehefa maniraka dia manazava tsara ny tanjony: dia ny hampahiratra ny jamba hahitany ny mazava, hahazoany famelan-keloka. Ny finoana an’i Jesoa tokoa dia zava-poana raha tsy arahan’asa, ka fomban’i Jesoa mihitsy ny mifidy mpiara-miasa hanantanteraka ny asany.
Fanontaniana:
Nitondra inona teo amin’ny fiainanao ny fahafantarana an’i Jesoa?
Sampana Sekoly Alahady Foibe