Jesoa Kristy ao amin’Andriamanitra
Mofonaina anio: Alarobia, faha 19 Janoary 2022
JAONA 8.52-59
JAONA 8.52-59
52 Dia hoy ny Jiosy taminy: Fantatray ankehitriny fa manana demonia Hianao. Efa maty Abrahama sy ny mpaminany; nefa hoy Hianao: Raha misy olona mitandrina ny teniko, dia tsy mba hanandrana fahafatesana izy mandrakizay. 53 Moa Hianao va lehibe noho Abrahama rainay izay efa maty? sady efa maty koa ny mpaminany; manao Anao ho iza moa Hianao? 54 Jesosy namaly hoe: Raha mankalaza ny tenako Aho, dia tsinontsinona ny lazako; ny Raiko, Izay ataonareo fa Andriamanitrareo, Izy no mankalaza Ahy. 55 Tsy fantatrareo Izy, fa Izaho no mahalala Azy; ary raha hoy Izaho: Tsy fantatro Izy, dia mba mpandainga tahaka anareo koa Aho; nefa mahalala Azy Aho ka mitandrina ny teniny. 56 Ravoravo Abrahama rainareo hahita ny androko; ary nahita izy ka faly. 57 Dia hoy ny Jiosy taminy: Tsy mbola dimam-polo taona akory Hianao, ka dia efa nahita an'i Abrahama va? 58 Hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa: Fony tsy mbola ary Abrahama, dia Izy Aho. 59 Dia naka vato hitoraka Azy ny olona; fa Jesosy niery ka niala teo an-kianjan'ny tempoly*. [*Ampio hoe: ary namaky teo afovoan'ny olona ka lasa]Jesoa Kristy ao amin’Andriamanitra
1-Tsy azon’ny olona ny tiany ambara
« Fa hoy ny Jiosy taminy : fantatray ankehitriny fa manana demonia ianao » (and52).Raha nilaza ny fifandraisana misy eo aminy sy Andriamanitra i Jesoa Kristy , indrindra tamin’ny filazany fa avy amin’Andriamanitra Izy dia nolazain’ny jiosy fa manana demonia . Nanamafy ny fanazavany i Jesoa Kristy ka nilaza fa mankalaza Azy ny Ray ary faly amin’ny ataony .Nampitombo ny fahatezeran’ny Jiosy izany ka nahatonga azy ireo nitora-bato Azy .Rehefa tsy mety azon’ny olona ny maha- ao amin’ny Ray an’i Jesoa Kristy sy ny teny izay lazainy , dia ho tezitra sy ho hankahala ary hamono an’i Jesoa Kristy mihitsy izany olona izany . Fantaro amin’ny alalan’ny teniny ny fifandraisany amin’i Jesoa Kristy sy ny Ray .
2- Manambara fiainana mandrakizay
« Raha misy olona mitandrina ny teniko , dia tsy mba hanandrana fahafatesana izy mandrakizay » (and52)
Fanambarana nataon’i Jesoa Kristy izany entiny maneho amin’ny olona ny dingana telo momba ny fahafaresana ara-panahy dia ny fahatapahan’ny fifandraisana amin’Andriamanitra , ny fahafatesana ara-batana dia ny fisarahana amin’izao planeta misy antsika izao , ary ny fahafatesana mandrakizay dia ny fahafatesana faharoa.Tsy izany anefa no tanjon’Andriamanitra amin’ny olombelona fa fiombonana mandrakizay amin’Andriamanitra . Rehefa tsy miala amin’ny finoana ny tenin’i Jesoa Kristy ny olona dia tsy tafasaraka amin’Andriamanitra mandrakizay , na dia mandalo fahafatesana amin’ny nofo aza , satria efa mpandova ny fiainana mandrakizay .
Fanontaniana :
Hatraiza ny finoanao ny tenin’i Jesoa Kristy fiainana ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM