Jesoa ,Ilay nitsangana tamin’ny maty
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 20 Aprily 2020
JAONA 20.24-29
JAONA 20.24-29
24 Fa Tomasy, anankiray tamin'ny roa ambin'ny folo lahy, ilay atao hoe Didymo, dia tsy mba teo aminy raha tonga Jesosy. 25 Dia hoy ny mpianatra sasany taminy: Efa nahita ny Tompo izahay. Fa hoy kosa izy taminy: Raha tsy hitako eo amin'ny tànany ny holatry ny nohomboana, ka ataoko eo amin'ny holatry ny nohomboana ny rantsan-tanako, ary ataoko eo amin'ny lanivoany koa ny tanako, dia tsy mba hino aho. 26 Ary nony afaka havaloana, dia tafangona teo indray ny mpianany, ary teo koa Tomasy. Dia tonga Jesosy, rehefa voarindrina ny varavarana, ka nitsangana teo afovoany, dia nanao hoe: Fiadanana ho anareo. 27 Ary hoy Izy tamin'i Tomasy: Atehefo eto ny rantsan'tananao, ka jereo ny tanako; ary atehefo eto koa ny tananao, ka ataovy amin'ny lanivoako; ary aza ho isan'izay tsy mino, fa minoa. 28 Dia namaly Tomasy ka nanao taminy hoe: Tompoko sy Andriamanitro! 29 Hoy Jesosy taminy: Satria nahita Ahy ianao, dia nino; sambatra kosa izay tsy nahita, nefa nino.Jesoa ,Ilay nitsangana tamin’ny maty
1- Manaisotra ny fisalasalana
Maro sosona ny lesoka azo tsoahana teo amin’i Tomasy . Nihatakataka tamin’ny mpianatra izy ka tsy nahita ny fisehoan’i Jesoa tamin’ireo . Tsy mba mino ny fanambarana nataon’ny namany Izy ary miziriziry amin’ny heviny . Nanambara i Tomasy fa » raha tsy hitako eo amin’ny tànany ny holatry ny nohomboana ny rantsan-tànako , ary ataoko eo amin’ny lanivoany ny tànako , dia tsy mba hino aho » (and25) .Asian’i Tomasy fepetra ny finoany an’i Jesoa . Soa fa teo i Jesoa , nanala ny fisalasalana . Nanala ny ahiahin’i Tomasy i Jesoa noho ny fitiavany azy manokana . Na izany aza , ambaran’i Jesoa mazava fa « sambatra izay tsy nahita , nefa mino » (and29) . Soa fianatra ny safidin’i Jesoa hanova an’i Tomasy .
2-Tompo sy Andriamanitra
Manana faharetana sy fahatsorana i Jesoa ary dia nisy vokatra avy hatrany izany fiatrehany ny olona kely finoana am-pahatoniana izany. Ilay Tomasy niziriziry tamin’ny heviny iny no nahavita nanambara fanekempinoana miezinezina . Dingan-davitra lehibe teo amin’ny sehatry ny finoana no vitan’i Tomasy. Resiny ny fisalasalana noho ny fihaonany sy fihainoana ary ny fahitany an’i Jesoa , Ilay nandresy ny fahafatesana . Nambarany an-karihary ny finoany fa i Jesoa no Tompo sy Andriamanitra (and28) .Andeha hijoro toa an’i Tomasy hanandratra an’i Jesoa .
Fanontaniana:
Inona no azonao ambara momba ny fandresen’i Jesoa lahatra an’i Tomasy ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM