Jesoa : Andriamanitra mahagaga
Mofonaina anio: Alarobia, faha 10 Martsa 2021
JAONA 6.1-13
JAONA 6.1-13
1 Rehefa afaka izany, dia niala Jesosy ka lasa nita ny Ranomasin'i Galilia, dia ny Ranomasin'i Tiberiasy izany. 2 Ary nisy vahoaka betsaka nanaraka Azy noho ny nahitany ny famantarana izay efa nataony tamin'ny marary. 3 Ary Jesosy niakatra tao an-tendrombohitra, dia nipetraka tao mbamin'ny mpianany. 4 Fa efa akaiky ny Paska, ilay andro firavoravoan'ny Jiosy. 5 Ary Jesosy nanopy ny masony ka nahita fa nisy vahoaka betsaka nanatona Azy, dia hoy Izy tamin'i Filipo: Aiza no hividianantsika mofo hohanin'ireo? 6 Izany no nataony mba hizahany toetra azy; fa izy nahalala ihany izay efa hataony. 7 Filipo namaly Azy hoe: Na dia mofo vidina denaria roan-jato aza tsy ampy azy rehetra hananany kely avy. 8 Ny mpianany anankiray, dia Andrea, rahalahin'i Simona Petera, nilaza taminy hoe: 9 Misy zazalahy manana mofo vary hordea dimy sy hazandrano madinika roa, fa ho ampy inona moa izany amin'izao olona betsaka izao? 10 Fa hoy Jesosy: Asaovy mipetraka ny olona. Ary nisy ahitra be teo. Ka dia nipetraka ny lehilahy, tokony ho dimy arivo no isany. 11 Dia nandray ny mofo Jesosy; ary rehefa nisaotra, dia nizara izany tamin'izay nipetraka hihinana Izy; ary ny hazandrano koa araka izay nilainy. 12 Ary rehefa voky ny olona, dia hoy Jesosy tamin'ny mpianany: Angony ny sisa tsy lany, mba tsy hisy ho very. 13 Dia nangoniny, ka nahafeno harona roa ambin'ny folo ny sombintsombin'ny mofo vary hordea dimy, izay ambiny tsy lanin'ny nihinana.Jesoa : Andriamanitra mahagaga
Ny tanjon’ny mpanoratra ny Filazantsara dia ny haneho fa Andriamanitra mahagaga i Jesoa . Novahan’i Jesoa ny olana momba ny famokisana olona an’arivony eto amin’ity mofonaina ity . Mahagaga i Jesoa noho Izy :
1-Atonin’ny vahoaka betsaka (and1-5a)
Ny vahoaka dia enti-milaza karazana olona samihafa , olona maro .Araka izany dia azon’ny karazan’olona rehetra atonina i Jesoa na dia Andriamanitra aza . Mandray izay rehetra manatona Azy koa Izy . Andriamanitra akaiky ny olona rehetra i Jesoa . Andriamanitra tsy mizaha tavan’olona i Jesoa , namonjy ny olona rehetra tokoa Izy .
2-Mizaha toetra ny mpianany (and5b, 6)
Nozahan’i Jesoa toetra ireo mpianatra raha ho afaka hamaha olana eto na tsia . Jesoa anefa araka ny tantara dia efa mahafantatra izay tokony hataony . Avy amin’izao no hahafantarantsika fa ireo tranga manahirana samihafa avelan’ Andriamanitra hiseho dia fizahan-toetra matetika . Tsy natao hahakivy na hampiraviravy tànana araka izany ny fizahan-toetra na inona na inona karazany .
3-Manampy handresena ny olana (and10-13)
Nivavaka i Jesoa ka nitombo nahavoky ny olona rehetra teo ny mofo dimy sy hazandrano roa . Rehefa omena an’i Jesoa tokoa izay eo am-pelatanantsika ho enti- mamonjy ny hafa dia hain’i Jesoa ny mampitombo izany hahasoa ny maro . Tsy avelan’i Jesoa hitoetra ao anaty olana , ao anaty fahasahiranana ny vahoaka manaraka azy sy ireo mpianany . Andriamanitra mahagaga i Jesoa , mamaha ny olana manahiran-tsaina ny mpianany sy ny vahoaka manaraka Azy .
Fanontaniana:
Tranga toy ny ahona no nizahan’i Jesoa toetra anao ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM