Jeremia 44.11-23

Mofonaina anio: Alarobia, faha 27 Novambra 2019

Fandalinana ny Boky JEREMIA

Jeremia 44.11-23
11 Koa izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, hanandrina anareo Aho hahatonga loza haharingana ny Joda rehetra. 12 Ary halaiko ny sisa amin'ny Joda, izay nikiry hankany amin'ny tany Egypta hivahiny any, ka ho lany ritra izy rehetra; any amin'ny tany Egypta no hahalavoany, samy ho ringan'ny sabatra sy ny mosary, eny, na ny kely na ny lehibe dia samy ho fatin-tsabatra sy mosary izy rehetra ka ho tonga fianianana sy figagana sy fanozonana ary fandatsa. 13 Fa hovaliako izay monina any amin'ny tany Egypta, toy ny namaliako an'i Jerosalema, dia amin'ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana. 14 Ary na sisa amin'ny Joda izay lasa nivahiny tany Egypta dia tsy hisy ho afa-mandositra ho tafaverina any amin'ny tanin'ny Joda, izay niriny hiverenana mba honenany, afa-tsy izay vitsy sendra afa-mandositra ihany. 15 Ary ny lehilahy rehetra, izay nahalala fa ny vadiny efa nandoro ditin-kazo manitra ho an'andriamani-kafa, sy ny vehivavy rehetra izay nitsangana teo, dia vahoaka be dia be, ary ny olona rehetra izay nonina tany amin'ny tany Egypta, tao Patrosa, dia namaly an'i Jeremia hoe: 16 Raha ny amin'ilay teny voalazanao taminay tamin'ny anaran'i Jehovah, dia tsy hihaino anao izahay. 17 Fa hataonay tokoa ny teny rehetra izay naloaky ny vavanay, dia ny handoro ditin-kazo manitra ho an'ny mpanjakavavin'ny lanitra sy ny hanidina fanatitra aidina ho azy, toy ny efa nataonay sy ny razanay sy ny mpanjakanay ary ny mpanapaka anay tany amin'ny tanànan'ny Joda sy teny amin'ny lalamben'i Jerosalema; fa fahizany dia voky hanina izahay sady nambinina ary tsy nahita loza. 18 Fa hatrizay nitsaharanay tsy nandoro ditin-kazo manitra ho an'ny mpanjakavavin'ny lanitra na nanidina fanatitra aidina ho azy izay, dia saiky tsy nanana na inona na inona akory izahay sady ringan'ny sabatra sy ny mosary. 19 Ary raha nandoro ditin-kazo manitra ho an'ny mpanjakavavin'ny lanitra izahay sy nanidina fanatitra aidina ho azy, moa tsy fantatry ny vadinay va ny nanaovanay mofo hasiana ny sariny* sy ny nanidinanay fanatitra aidina ho azy?[Na: ho enti-mivavaka aminy] 20 Ary hoy Jeremia tamin'ny olona rehetra, na ny lehilahy na ny vehivavy, dia ny olona rehetra izay efa namaly azy: 21 Ny nandoroanareo ditin-kazo manitra tany an-tanànan'ny Joda sy tany an-dalamben'i Jerosalema, dia ianareo sy ny razanareo sy ny mpanjakanareo sy ny mpanapaka anareo mbamin'ny vahoaka, moa tsy hotsarovan'i Jehovah va izany, ary tsy tao an-tsainy va? 22 Ka dia tsy nahalefitra intsony Jehovah noho ny faharatsian'ny nataonareo sy noho ny fahavetavetana izay nataonareo; koa izany no nanaovana ny taninareo ho lao sy ho figagana ary ho fanozonana, ka tsy misy mponina, tahaka ny amin'izao anio izao. 23 Noho ny nandoroanareo ditin-kazo manitra sy ny nanotanareo tamin'i Jehovah, fa tsy nihaino ny feon'i Jehovah, na nandeha araka ny lalàny sy ny didiny ary ny teny vavolombelony ianareo, dia izany no nahatonga izao loza izao taminareo tahaka ny amin'izao anio izao,

Jeremia 44.11-23

Mihahenjana ny tady eo amin’i Jeremia sy ny vahoaka ka:

1-Manantitrantitra ny fiavian’ny loza ho an’ireo izay nankany Egypta i Jeremia :

Tena hanandrina an’ireto vahoaka mafy hatoka ireto mihitsy Andriamanitra . Ataony mahazo azy ireo ny fahapotehana noho izao hamafisam-pony izao. Rehefa tsy mety maka leona amin’ny zava-drehetra niseho izy , dia ny zava-mihatra aminy no hanajry ho lesona ho an’izay mitazana . Aoka ho fantatsika fa « Andriamanitra tsy azo vazivaziana , fa izay afafin’ny olona no hojinjany « (Gal 6.7).

2-Manamavo tanteraka ny faminanian’i Jeremia ny vahoaka

Miseho ny tena hamafisam-pon’ireto vahoaka nikiribiby nankany Egypta ireto . Tena nohamavoiny ho teny tsy manan-danja ny tenin’i Jeremia nampitondrain’i Jehovah ho azy ireo . Vao mainka aza mampirehareha azy ireo fa tena hahazoana fitahiana ny fanompoantsampy. Toa mitovy fisainana amin’ny Malagasy izy ireo , izay mihevitra fa ny razana no mitondra fitahiana fa tsy Andriamanitra . Diniho ny tenin’i Jehovah hoe: « Ary tsy fantany fa Izaho no nanome azy ny vary sy ny ranomboaloboka sy ny diloilo , sady nataoko be ny volafotsiny sy ny volamenany , izay nolaniny ho an’i Bala  » (Hosea 2.10).

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-6